• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Sep 4, 2024

🤔Mitsoaka anao ve Andriamanitra ?

Andro namoahana Sep 4, 2024

Ianao o irery ve no TSY RESAHAN’Andriamanitra ?”

 

Nirotsaka aoka izany ny ranomason’ity ramatoa iray rehefa nanatrika ny fotoam-bavaka ny alahady taorian’ny hetsika « Fahagagana isan’andro » voalohany natao tany Alemaina. 

« Rehefa teo afovoan'ny vahoaka aho, dia afaka nanatri-maso ny asan’ny Fanahy Masina niseho tamin-kery nanodidina ahy. Kanefa toa adino aho ary toa nivily nanodidina lavitra ahy Izy… »

 

Efa nanana izany fahatsapana izany ve ianao ry namako ?

 

I Habakôka dia mpaminany nefa tena nahalala tsara izany fahatsapana izany ! Ny mpaminany dia tokony ho naheno an’Andriamanitra niteny taminy !

 

Kanefa dia niaina izany fahanginana izany izy (ilay fahanginana izay te handresy lahatra antsika hoe mitsoaka antsika Andriamanitra !). “ Jehovah ô, indrisy ny hahelan'ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany !” (Hoka 1:2)

 

Aoka isika hilaza ny marina ry namako fa vitsy ny olona hamaly avy hatrany hoe « eny, mazava ho azy fa mahatsapa ny fanatrehan’Andriamanitra mandrakariva aho ary amin’ny fotoana rehetra ! »

 

Nandritra io hetsika « Fahagagana isan’andro » voalohany tany Alemaina io dia miaiky aho fa nahatsapa ny Fanahy Masina tamin’ny fomba tsy nitranga efa ela ! Izany mihitsy « toy ny tany aloha ela be ». Satria na izaho koa aza dia tsy hoe mahatsapa avy hatrany ny fanatrehan’Andriamanitra raha vao mifoha maraina !

 

Tsia, tsy mahatsapa izany eo no eo aho saingy hetsehiko eo no eo kosa ny finoako sy ny fatokisako an’Andriamanitra satria mihoatra noho ny fahetseham-po izany ! Aza miandry fihetseham-po vao hino Azy !

 

Ry namako, ny bokin’i Habakoka dia manomboka amin’ny « Tsy nohenoina aho ». Ary mety ho io ny teboka nijanonan’ny fiainanao amin’izao fotoana izao.

 

Fa fantatrao ve ny fiafaran’ny bokin’i Habakoka ?

Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.” (Habakoka 3:18) Naka fanapahan-kevitra ny hifaly i Habakoka !

Ary tsy mijanona hatreo ny tantara ! Taorian’izay dia nanome azy izay tena nilainy Andriamanitra : “Jehovah Tompo no tanjako !” (Habakoka 3:19).

 

Manome anao izay tena ilainao toy izany koa Andriamanitra ary mihoatra lavitra noho ny fihetseham-po izany ! Ry namako, aza miandry fihetseham-po fa avelao Andriamanitra hiasa amin-kery !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.