Mitsangana ny Mpisolo vava anao!
“Aza manolotra ahy ho amin’ny sitrapon’ny mpampahory ahy, fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy” Salamo 27.12
Tena sarotra ny fiampangana ampahibemaso sy tsy ara drariny. Efa nihatra tamiko izany taona vitsivitsy lasa izay. Ny 01 Janoary, raha niara -nisakafo maraina nilamina tsara niaraka tamin’ireo namako aho mba hanombohana ny taona ao anaty fifaliana sy fiombonana. Nisy nilaza tamiko fa misy lahatsoratra nivoaka miampanga ahy sy ny ministerako ao amin’ny tambanjotra sosialy. Nosoratan’ny mpitandrina iray ilay lahatsoratra ary nametraka fisalasalana amin’ny fahamarinany, ankoatr’izany nisy fiampangana 12 hafa ihany koa ilay lahatsoratra…
Fangirifiriana ny niainana izany, tsy ho ahy irery fa ho an’ny vadiko sy ireo zanako; ary ny ekipanay. Latsa-dranomaso izahay ary nitady an’Andriamanitra. Namela heloka izahay ary nahita fanovana ny ratsy ho soa ary nampionona anay izany.
Matokia fa ny rainao dia tsy hanolotra anao eo amin’ny fikasan-dratsy ny fahavalonao. Mety hisy vavolombelona tsy marina hitondra rivotrin’ny herisetra fa hisy olon-kafa hitsangana. Io ny mpisolo vava anao ary hitsangana Izy.
Izy no Jesosy Kristy izay miaina ao amin’ny fahelemem-panahy. Izy no mpiaro anao.
Izy no hitsangana farany.