Mitsangàna !
Inona no nampisaraka anao tamin’Andriamanitra ? Nisy zavatra nataonao ve sa zavatra natao taminao?
Mamelà ahy hizara ny tenin’i T.D. Jakes ao amin’ny bokiny hoe “Crushing” : “Ireo fisedrana manavesatra dia manambara fa misy zavatra betsaka kokoa eo amin’ny fiainantsika noho ny nantenaintsika.”
Iraika amby roapolo taona aho tamin’izay no nivadika ho nofy ratsy ilay tolakandro iray : nisy olona nanisy zavatra ny ranom-boankazo nosotroiko, ka tsy nahatsiaro tena aho ary avy eo naolany.
Feno henatra tanteraka aho ka tsaroako nandositra ny trano. Tsy te hifanatri-tava amin’ny fianakaviako aho, noheveriko fa fahadisoako izany, ka tamin’ny farany dia mino fa izaho no nahatonga izany!
Lainga…
Nahatonga ahy handositra ireo lainga ireo... nandositra ny fahamarinana izay afaka nanampy hampitraka ahy. Tsy nihira ho an'ny Paska aho fa niafina tao amin'ny seza aoriana tao am-piangonana, ary tampoka teo dia nanambara pasitera hoe : "Na inona na inona nataonao, ary na aiza na aiza niavianao - fotoana izao hanombohanao mihira indray... hira vaovao!"
Mihira ? Tsia ! Tsy vita izany ! Efa nilavo lefona tamin'izany aho ny tolakandron'ny nitrangan'ilay olana... Ahoana no ahafahan'Andriamanitra mampiasa ahy indray ? Ary ny feoko ?
Na izany aza, nandray ny fanapahan-kevitra manan-danja indrindra aho tamin’io andro io ! Nahatsiaro ho maloto, torotoro ary tsy nanana fanantenana aho. Ka nitsangana ary nandeha nanatona ny hazo fijaliana, nitomany toy ny zaza, nangataka tamin'Andriamanitra mba hanasitrana ny fanahiko maratra !
Ary fantatrao ve? Nataony izany !
Tsy vitan'ny hoe nataony ho ahy izany, fa anio, amin'ny alalan'ny fijoroako ho vavolombelona, dia manohy manasitrana ny fiainana rava Izy: "Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka." (Genesisy 50:20).
Koa na avy aiza na avy aiza ianao, na taiza ny toerana nandosiranao, tonga ny fotoana hihiranao fihiram-baovao ! Eny: mitsangàna ary mandehana eo amin'ny hazo fijaliana! Fa izay nataony ho ahy - afaka sy te hanao izany ho anao Izy!
Fahaganana ianao !