Mitsahatra ao amin’i Jesosy
Tonga soa amin’ny Alarobia an’ity herinandro masina ity!
Henin-kaja aho mamakivaky ity tontolo andro ity miaraka aminao.
Tsy mamaritra mazava ny nataon’ny Tompo ny andron’ny Alarobia ny baiboly. Misy olona sasany manombatombana fa taorian’ny andro roa izay namizaka dia naka fotoana nialana sasatra tany Betania Jesosy sy ny mpianany mialohan’ny Paska.
Tiako izay fiheverana izay…Jesosy maka aina. Ilay Andriamanitr’izao tontolo izao, manan hery tsy misy fetra, dia niaina tanteraka ny maha-olona Azy ary naka aina. Fantatr’i Jesosy mialoha fa hisy ny sedra ho lalovany eo aloha eo ka nisintaka kely Izy naka aina mba hiomanany.
Mitsahatra ao amin’i Jesosy ve ianao izao? Manasa anao Jesosy hanao araky ny ao amin’ny Matio 11.28-30 : “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”
Mitondra enta-mavesatra izay mila apetrakao ve ianao? Raha mahatsapa vesatrta ianao dia manasa anao Jesosy hitondra izany eo Aminy ka ho maivana izany.
Maka fotoana kely dia apetraho izany. Atolory, tsirairay izany ho sahanin’ny herin’i Jesosy. Vitanao izany! Ataovy ny fifanakalozana mahagaga izao ankehitriny izao.
Avelanao ve aho hivavaka ho anao?
“Jesosy o, mivavaka ho an’ny namako aho izao, ary mangataka aminao ny hanomezanao azy ny fahendrena sy ny hery hitondra izay mavesatra aminy eo Aminao. Jesosy o, hampaherezo ny namako amin’ny fanantenana fa misy ny fitsaharana na dia anivon’ny sedra sy fitsapana aza. Ampatsiahivo azy fa akaiky ianao ary renao ny kiakan’ny fony. Misaotra Anao aho ny amin’ny Fitiavanao anay rehetra, Amen”
Mila ampatsiahiviko anao ny nitranga tao Betania mialohan’ny andro nitsaharana: Jesosy dia naneho an’izao tontolo izao fa nanana ny hery mandresy ny fahafatesana Izy tamin’ny nananganany an’i Lazarosy tao am-pasana! Rehefa nahita izany fahagagana tsy nampino izany dia maro ny olona tao Betania no nino fa Jesosy no zanak’Andriamanitra ary nametraka ny finoany Taminy.
Avereno eo amin’i Jesosy ny finoanao. Matokia Azy hanao ny mahagaga eo amin’ny fiainanao. Hinoy Izy fa hitsoka fiainam-baovao indray ao amin’ny fanahinao izay reraka. Vitany ary ho ataony izany!