Mitsahatra - Tsy miovaova - Maharitra π€²π»
Misy sehatra eo amin’ny fiainanao ve izay irinao indrindra hisy fiovana - nefa tsy ataonao mihitsy ilay izy… satria tsy tena maka fotoana ianao hiatrehana azy?
Te hizara aminao ny fanamby lehibe atrehako aho anio, dia izao - “Betsaka foana ireo zavatra tokony ataoko” Efa an-taonany maro izany fanamby izany… fa noraisiko ho zava-dehibe izany volana vitsivitsy lasa izay. Fa nahoana ? Satria - izany mihitsy - betsaka foana ireo zavatra tokony ataoko. π
Ary tsy nitranga ny fiovana raha tsy tamin’izaho nanomboka nitsahatra, sy naka fotoana nijanonana teo anatrehan’Andriamanitra.
Fantatrao ve ny hafatra alefanao amin’Andriamanitra, izay tsy tsapanao akory, rehefa tsy mametraka ny ahiahinao eo an-tanany ianao? - araka izay nolazainy ao amin’ny 1 Petera 5:7 : “ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo” Tahaka ny miteny ianao hoe : “Tsy azoko antoka loatra hoe ho vitanao izany…”π«£
Fa henoy tsara : π Avotsory eo amin’i Jesosy ny olanao, fa hanafaka anao Izy !
Hanoro anao lalana vaovao Izy. Hampionona anao Izy. Hampatsiahy anao fa mbola eo Izy - ary tsy manadino anao.
Na izany aza, dia mirona manadino ireo andininy malaza ao anaty Baiboly isika rehefa miezaka miatrika ny androntsika irery…. Kanefa… π Rehefa mitsahatra isika no mihetsika ao anatintsika indray ny herin’ny Tenin’Andriamanitra.ππ»
Noho izany aza adino mihitsy ny mitsahatra… mba tsy ho very ianao. Inona no manakana antsika amin’izany? Andeha hijanona. Andeha tsy hiovaova amin’ny fiainam-bavaka. Andeha aharitra sy ho mahatoky. Raha tsy haka izany fotoana izany ianao, dia tsy hisy na inona na inona hiova eo. π€·βοΈ Mora kely izany… nefa toa lavitra be ny andavan’androm-piainantsika. Sa ahoana hoy ianao ?
π TE hiverina amin’Ilay milaza aminao ve ianao anio hoe : “TIAKO ary tena AFAKA mitondra ny enta-mavesatrao Aho”?
Mamporisika anao aho handray izany fanapahan-kevitra izany, satria tsy misy eto amin’ity tany ity azo ampitahaina amin’ny herin’ny Andriamanitsika.
Na ianao ary… Hanaiky vahaolana avy amin'olombelona ve ianao raha misy vahaolana avy amin'Andriamanitra? π