Mitranga ny fahagagana rehefa mandeha.
“Hitarika ny jamba amin'izay lalana tsy fantany Aho; ary amin'ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.” (Isaia 42.16)
Efa nasain’Andriamanitra nanao dingana amin’ny zavatra tsy fantatra ve ianao ?
Angamba mety ho izany mihitsy no handrasany aminao anio, iza no mahalala ? Raha izany no izy, dia te hampahery anao mialoha aho mba tsy hatahotra !
Mazava ho azy fa maro ireo fanontaniana tonga, satria tsy misy fantatrao izay tsy maintsy hatrehinao. No sady tsy fantatrao ny handaminana ilay toe-javatra vaovao. Tsy mbola nisy toy izany mihitsy tany aloha ! Mety hanao hadisoana ianao eo amin’ity lalana vaovao ity…
Aza manahy, fa ho azonao haingana izany. Ny hany ilaina anio dia ny hanohizanao ny dia mba handrosoanao !
Mifalia rehefa misy zava-baovao misokatra aminao, ary aza avela ho resin’ny tahotrao ny fifalianao !
Fantatrao ve fa rehefa nangatahana hanoratra ny “Fahagagana Isan’Andro” aho, dia tojo toy izany mihitsy ? Nanontany tena foana aho hoe : “Ahoana ny hahavitako izany ? Hanana hevitra vaovao isan’andro ve aho ? Ho azon’ny mpamaky ve ny tiako lazaina ? Hanakiana ahy ve izy ireo…?”
Ary minoa ahy ianao fa an-jatony ireo fanontaniana tonga tato an-tsaiko. Saingy nangataka ahy mazava Andriamanitra… io no iraka ampanaoviny ahy… ary anio, dia miaina izany fitahiana lehibe izany aho !
Raha niantso anao amin’ny iraka iray ny Tompo anio, dia tanteraho izany… satria ny Fitahiany lehibe dia eo anoloanao !
Mety mieritreritra ianao eto am-pamakiana ahy hoe : “Izany an, efa nanomboka ny diako aho izao ary mbola tsy niaina akory izany fahagagana lehibe izany. Ny mifanohitra amin’izany mihitsy aza, ny tahotra no manjaka..” Fa aza avela hanozongozona anao izany… Imbetsaka aho no niaina fa “mitranga ny fahagagana rehefa eny am-pandehanana, rehefa mandroso foana !”
Koa anio, eo amin’izay misy anao, dia te hampahery anao Andriamanitra ! Hiaraka hivavaka isika ary hiaraka hanambara am-pinoana hoe : “Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.” (Salamo 23.4) Amen !
Fahagagana ianao !