• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Sep 20, 2026

MITOVY LENTA AMIN’I JESOSY

Andro namoahana Sep 20, 2026

Nisy zavatra maro nampanahy ahy indray andro. Ilay andro izay tena somebiseby ianao ka tsy manana fotoana hakàna aina akory. Efa niaina toa izany ve ianao? Niodikodina teny aho. Dia ny hariva moa dia torovana sy sorena ihany. Nahasosotra ahy daholo ny zava-drehetra nefa tsy nisy zavatra niova akory. Vao may niharatsy aza…

Dia tonga tao an-tsaiko ny sarin’i Petera nandeha teny ambony rano. Hoy Jesosy hoe “Avia!” dia niala izy dia nandeha tahaka an’i Jesosy teo ambony rano. Woooww! Nila fahasahiana aloha iny ann… sy finoana indrindra indrindra. Fa fantatsika koa ny niafaran’ny tantara: tsy nifantoka tamin’i Jesosy izy dia nilentika - soa fa teo Jesosy namonjy azy.

Variana teo amin’ilay hoe nandeha toa an’i Jesosy aho. Olombelona toa antsika i Petera, fa afaka nandeha tambonin’ny rano. Dia teo aho dia nitsangana dia niteny tamin’ny tenako hoe: “handehano koa ireo ranonao ireo”. Fa tena feno fiadanana aho avy eo…

“Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy” (Matio 14:29)

Tsy nila nanazava ny lalana ara-tsiantifika i Jesosy. Teny iray dia nitranga ny fahagagana. Koa anio koa dia hoy Jesosy aminao : “Manatona” dia avelao any ny tebiteby, ny tahotrao sy ny fanahianao. Mifantoha fotsiny Aminy dia tsy hilentika anatin’io olana io ianao. 

Manatona dia avelao Izy hanao ny ambiny. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny