• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VN Vietnamese
Andro namoahana Nov 24, 2026

Mitondra vokatra tsara

Andro namoahana Nov 24, 2026

Mitondra vokatra tsara 

Anisan’ny zavatra tsy tiantsika ray aman-dreny indrindra angamba dia rehefa be famaliana tsy mankatò iny ny zanantsika. Mety koa io amin’ny sehatra hafa hoe mitarika olona any am-piasana na anaty fikambanana ohatra, fa tena mitondra fahasorenana matetika ny olona tsy mba mankatò fa manao izay tiany atao fotsiny. 

Mitondra fikorontanana ny tsy fankatoavana. Tena manimba zavatra mihitsy. 

Misy tantara iray izay ao amin’ny baiboly izay milaza olona nirahina dia niteny hoe ie, handeha aho kanefa tsy nandeha akory. Ary ny iray koa dia niteny hoe tsy te handeha aho nefa rehefa nieritreritra izy dia lasa ihany. (Matio 21:28-32). Mazava ho azy fa ilay tena nandeha no nahazo sitraka.

Eo amin’ny sehatry ny asa dia misy fiantraikany goavana ny fankatoavana na tsia. 

Indray andro aho efa sendra ny olona niara-niasa tamiko izay nanao izay tiany fotsiny : tonga amin’ny ora tiany ahatongavana, maka “permission” lava, manimba zavatra, tsy mba azo ahintsy fa be famaliana. Vokany? Nanomboka nikorontana ny asa ary nanala tena moa izy ny farany. 

Tianao tsy hikorontana ve na hisy faharavana amin’ny fiainanao? Indro misy andinin-tsoratra masina omeko anao anio ho saintsaininao. “Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.” Jakoba 1:22

Maro isika mahazo tenin’Andriamanitra dia manao “Amen!” mafy fa lasa mpihaino fotsiny fa tsy mankatò. Rehefa sendra ny sedra mafimafy moa eo amin’ilay dingan’ny fankatoavana iny dia mamotsitra na sanatria miverin-dalana mihitsy. Tsy ianao izany!! Ianao dia mankatò izay lazain’ny Rainao. Ianao dia mampihatra izay asainy ataonao ary mahita vokatra tsara eo amin’ny fiainanao. 

Misy vokatra tsara entinao eo amin’ny fiainana satria mpankatò ny teny ianao.

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny