Mitokàna monina
Mihamafy sy mihabe feo ny tontolo ankehitriny, ary vao mainka mampanahy ny vaovao re matetika. Mandritra izany fotoana izany, toa mihalefy kosa ny feon’Andriamanitra. Sa angamba isika no tsy maheno Azy intsony ? Aiza ary no ahafahantsika mandre Azy isan’andro ? Tiako hodinihina miaraka aminao mandritra ny andro vitsivitsy izany, mba handraisanao fanapahan-kevitra izay afaka hanova ny fiainanao.
Tsy mila diplaoma teolojika akory ianao vao hahatsapa fa hisy foana - eny, hisy foana - zavatra tsy ampoizina, rehefa manapa-kevitra hanokana fotoana miaraka amin’Andriamanitra ianao. Marina sa tsia izany ?
Hoy ny Baiboly : “Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.” (Matio 6:6)
Midika izany fa mila mitoka-monina ianao, any amin’ny toerana mampisaraka anao amin’ny tabataba sy ny fanelingelenana rehetra. Amin’izay dia toy ny milaza amin’ny sainao lalina ianao hoe : “Izao no fotoana - misokatra aho handray izay tian’Andriamanitra holazaina.”
“Mitokàna monina.” Amin’ny teny hafa : “Tsy misy zavatra hafa mahazo miditra eto afa-tsy izay TIANAO holazaina amiko. Arindriko ny varavarana amin’ny fanelingelenana rehetra - anisan’izany ny WhatsApp sy ny hafa… eto tanteraka aho.”
“mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina.”
Rehefa mahatsiaro ho tsy azon’ny olona sy irery ianao, dia ao amin’ny “mangingina” - izany hoe ao amin’ilay toerana izay tsapanao ho toy ny tsy hita maso — no ahitanao an’Andriamanitra amin-kery !
Ary izao no tena mahafinaritra amin’ny farany :
“ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.”
Tsy vitan’ny hoe mahita anao ao amin’ny mangingina Izy, fa hamaly soa anao koa noho ianao tsy nanohy niherikerika tamin’ny olanao. Hamaly soa anao Izy noho ianao nandà fotoana maro hafa, ka nanokana fotoana ho Azy.
Eny : “Hamaly soa anao Izy.”
Fanomezana lehibe avy amin’Andriamanitra izany ! Ary aza adino : Izy koa dia te hihaino anao, ary manome fotoana ho anao. Ao ambadiky ny varavarana mihidy, Andriamanitra no hanokatra ny fonao !
Inona ary no andrasanao ? Mialà kely, akatony ny varavarana… mivavaha… ary hiaino ny valim-pitia omen’Andriamanitra anao !
Fahagagana ianao!