Mitoetra miaraka aminao aho,
Mifikira amin’i Jesosy !
Matetika no rentsika io teny io. Fa efa voamarikao ve hoe ahoana no anohizan’i Jesosy azy ? Jereo ao amin’ny Jaona 15, fa voasoratra hoe :
“…Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy” (Jaona 15:5)
“...ary Izaho aminy…” dia midika fa Jesosy dia miray aminao amin’ilay fomba tokony hiraisanao Aminy koa. Kay !
Inona marina no dikan’izany ? Mampanantena anao Jesosy hoe : “Miray aminao Aho.” Tena fampanantenana lehibe izany, ary tsy misy fepetra akory!
Tsy hoe milaza fotsiny Jesosy hoe : “Miraisa amiko, satria Aho avy amin’Andriamanitra”, fa hoe : “Miray aminao Aho – izay olombelona – satria izay no tiako.” ❤️
Mitoetra mahatoky Izy – na dia mihozongozona aza ianao.
Tsy lalan-tokana ny fifandraisanao Aminy. Mifamaly izany, maharitra, ary entin’ny fitiavany.
Angamba mieritreritra ianao hoe : “Izaho no tsy maintsy mitazona ny fifandraisana amin’i Jesosy – fa raha mamela aho, dia very daholo ny zava-drehetra.” Fa hoy Jesosy : “Izaho kosa mitoetra akaikinao – na inona na inona mitranga !”
Koa raha ianao koa mitoetra ao Aminy, dia tena hamokatra ny fiainanao !
Manome toky antsika ny amin’ny fitiavany Jesosy na inona na inona mitranga, fa ny tena hafaliantsika lehibe dia ny miaina ao anatin’ny firaisana Aminy, izany hoe ao anatin’ny fifandraisana manokana Aminy.
Raha tsapanao hoe lasa lavitra ianao, dia tsarovy : Jesosy dia mbola miraikitra aminao. Na anio aza. ❤️ Zavatra tsy miova izany. Raha manapa-kevitra hiverina ianao, dia efa miandry anao sahady Izy !
Tahaka ny olona iray miandry ny havany eny amin’ny seranam-piaramanidina ka feno hafaliana be. Raha vao misokatra ny varavarana, dia mihazakazaka mamihina azy izy. Miraraka ny ranomaso. Izany koa dia vokatra iray. Vokatry ny fitiavana.
Mitranga izany rehetra izany satria Jesosy tia anao mandrakizay.
Hitoetra miraikitra aminao mandrakariva Izy. Raha mahatsiaro very ianao, fantaro fa efa hitany sahady ianao !
Fahagagana ianao !