Mitoetra eo akaikinao Izy…
Misy fotoana ve ianao manana eritreritra toy ny hoe: "Irery foana aho"?
Izaho koa… fa vetivety ihany 😉. Satria mandroaka izany haingana aho amin'ny fitenenako ny tenin’ny fahamarinana! Tianao ho fantatra hoe ahoana?
Tena fantatro izany fahatsapana ho manirery izany, na dia mampientam-po sy miovaova aza ny fiainako.
Amin’ny fakàna an-tsary ny hirako manaraka dia tsy te ho irery mihitsy aho. Saingy na dia teo aza izany dia tsy nahita olona hiaraka tamiko aho.
Rehefa hitako fa izaho irery no hamita ny kilometatra maro, dia naika hanenika ahy ny fahadisoam-panantenana. Nanokatra ny Baiboliko aingana aho, ary tonga dia tsikaritro ity andininy manaraka ity:
"Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy;" ( Jaona 15:5 ).
Jereo: mazava tsara io voasoratra io! TSY irery na oviana na oviana ianao raha mifikitra Aminy, tahaka Azy miraikitra aminao!
Ary koa: “Raha miray amiko ianareo,.. dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.” (Jaona 15:7). Izany hoe - tena fahasoavana - Afaka mangataka amin’Andriamanitra ianao, rehefa mahatsiaro ho irery, mba hanome anao izay ilainao, dia homeny anao izany!
Raha ny amiko, dia ny tanjaka sy ny fifaliana ary ny fiarovana hanaovana ity dia lavitra ity. Ary tsy adino ny fiarovana ara-panahy mandritra ny fakana an-tsary. Ary indraindray, mivavaka mihitsy aza aho mba hahazo fanomezana tsy ampoizina avy any an-danitra, toy ny fahazoana efitra tsara kokoa ao amin’ny hotely ☺️
Manantena aho fa hotadidinao izao: Aza matahotra ny ho irery, fa tsy irery izany ianao rehefa miaraka amin’Andriamanitrao!
Mifikira Aminy hatrany, dia hamoa be ianao!