• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 22, 2025

Mitia tsy misy fepetra

Andro namoahana Aog 22, 2025

Ataoko daholo izay tinao ataoko Jesosy a, fa ito tena tsy ho vitako… Teny navoakan’olona iray izay tena feno ratra noho ny nataon’olona taminy. Nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fony izy fa rehefa tonga teto amin’ity andinin-tsoratra masina ity dia nandà tanteraka ny fony sy ny sainy. Hoy manko ilay teny hoe : “Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo.” (Lioka 6:27-28)

Mba fantatrao moa hoe matoa nolazain’Andriamanitra dia hainy fa vitanao? Andriamanitra dia tsy angataka zava-tsarotra aminao izany. Ny saintsika sy ny heverintsika ho fetrantsika no mametraka ny sakana rehetra tsy ahatanterahin’ny zavatra iray. Mety io tahotra, ahiahy, tsy finoana. tsy fahatokisan-tena na fahatokian-tena be loatra sns…

Niezaka nanazava tamin’ilay olona naratra ny mpitarika azy, nilaza taminy hoe aoka tsy ny olona na ny nataon’olona no hamoizanao ny mandrakizay anao. Satria isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao” (Efesiana 6:12). Nitomany fatratra izy ary naka fotoana misimisy nanasitrana ny ratra anatiny. Ary isaorana ny Tompo fa efa nahatratra ny fankatoavana hitia ny noheveriny ho fahavalo izy ankehitriny ary efa afaka mitondra am-bavaka azy ireo am-pitiavana noho ny fanampian’ny Fanahy Masina.

Ianao koa, tsy misy zavatra tsy ho vitanao izany. Ny angatahin’ny Tompo aminao dia fahatokiana sy fankatoavana Azy tsy misy fepetra. 

Vitanao io! Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.