Miteny tsy misy tanjona akory ve Andriamanitra ?

Rehefa niteny tamiko mazava tsara Andriamanitra (eny, tena nazava tsara mihitsy !) nandritra ny fivorianay hoe : “Antsoiko ianao hiala eto.” Dia tena nisafotofoto ny fihetseham-poko.
"Izaho izay tena tia an’ity fikambanana ity – jereo ny asa nataonay tamin’ny alalan’ireo tetikasa sosialy izay tena nahomby sy nivoatra – efa mihoatran’ny 10 taona aho no tato, tsy nitandro fotoana – ankehitriny, tsy maintsy avela koa izany ny hany mba loharanom-bola farany sisa azo antoka."
Minoa ahy, fa ny ampitson’iny aho dia efa nieritreritra hoe : "Kay kay kay, hahafinaritra ity, hahaleo tena ho amin’ny fanompoana aho ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra ! Tsy maintsy vita ity…" Nefa, vetivety teo dia nisalasala indray!”
Ara-dalàna ny misalasala sy misaina toy ny olombelona rehetra amin’ny voalohany. Fa aza adinoina hoe i Jesosy dia ao anatinao ! Ary Jesosy ao anatinao io dia hitondra anao hiverina amin’ny lalan’Andriamanitra – na dia tsy mbola hita maso aza izany anio, mety ho hita rahampitso !
Tiako hampahatsiahivina anao fa rehefa nilaza tamin’i Abrahama Andriamanitra hoe : “Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao; dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao.” (Genesisy 12.1-2), dia tsy mbola hita maso akory izany rehetra izany tamin’io fotoana io !
Tsy maintsy niala tamin’ny taniny Abrahama, vao afaka niaina ny fampanantenan’Andriamanitra !
Izany no tiako hamporisihina anao anio. Satria raha te hiaina ny fampanantenan’Andriamanitra ianao, dia mila miala amin’io toeranao io !
Ary rehefa manao dingana ianao, dia aoka ho tadidinao foana ity fahamarinana izay tian’ilay ”Jesosy ao anatinao” hotsarovanao, amin’ny fotoanan’ny fisalasalana ity : Miasa amintsika amin-kery Andriamanitra. Ary rehefa mangataka zavatra Aminy isika, dia afaka manao mihoatra lavitra noho izay eritreretintsika Izy ! Eny, ny heriny dia mihoatra lavitra noho izay takatry ny saintsika! (Efesiana 3.20)
Eny, mahay manome anao iraka vaovao izay sarobidy eo imasony Izy, ary na dia ilaozanao aza ny loharanom-bolanao teo aloha, dia afaka manome mihoatra lavitra noho izay navelanao Izy !
Vonona ve ianao hihetsika anio ary hihaina fiovana MAHAFINARITRA?Fahagagana ianao!

