• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 10, 2026

Miteny Jesosy …nefa tsy misy na inona na inona mitranga?

Andro namoahana Jol 10, 2026

Tiako ny mizara ny tantara mahafinaritrin’ny fanasitranana ahy noho ny “anorexie”. Reko ny vavaka mahery vaika nataon’ny ray aman-dreniko indray alina (Iray amin”ny maro!) izay nanambarany am-pinoana hoe : “ Ho velona ny zanakay!”

Fa ny tantara tsy nitohy tsotra tamin’ny hoe “ Ary ny ampitso maraina dia sitrana izy ary nahatalanjona ny fiainany” ….Tsia!

Taona maro no nandalo nanomboka teo amin’ny fanapahan-kevitra hoe te ho sitrana sy izaho sitrana ankehitriny io. Imbetsaka no niverina ny aretina, taona maro an-dranomaso sy ny hoe “Tsy vitako intsony!”

Ireo mpanompo izay nasain’i Jesosy hoe : “Fenoy rano ny siny” (Jaona 2:7) koa dia inoako marimarina fa nahatsapa toa ahy. “Fa maninona Jesosy maniraka antsika hameno rano ny siny nefa divay no nangatahintsika?”

Afaka nanontany tena ny ray aman-dreniko hoe: “Fa maninona Andriamanitra tsy manasitrana eo noho eo ny zanakay? Fa maninona no tsy maintsy mandalo izao rehetra izao vao ho sitrana?” Fanontaniana maro tsy nisy valiny!

Ary ianao, manana fanontaniana hiandrasanao valiny amin’Andriamanitra ve ianao? Na mety tsy azonao ve ny valiny efa nobitsihany teo an-tsofinao?

Afaka mitoetra anatin’ny : “fa nahoana” ianao - na mitraka am-pinoana!

Matokia Azy fotsiny!

Ny ray aman-dreniko dia nisafidy hivavaka ho ahy, tsy indray mandeha monja fa imbetsaka ary nitoetra tanaty fahatokiana. Ireo mpanompo dia nanapa-kevitra ny hameno rano ny siny na nanantena divay azy izy ireo rehefa nobaikon’i Jesosy. Ary ny ray aman-dreniko, na ireo mpanompo dia niaina fahagagana izay nandrasany!

Sitrana aho - satria ny ray aman-dreniko dia nanaraka ny lalan’ny fahatokiana (na sitrany aza hoe “fahagagana iny alina iny ihany”)

Ary ianao, vonona ve ianao hameno izay efa nomen’Andriamanitra anao ary handroso amin’izay kely eo an-tananao, am-pahatokiana, satria Andriamanitra dia hanova izany ho FAHAGAGANA amin’ny fotoana mety?

Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy “ (Hosea 14:9)

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.