• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 25, 2025

⏰ Mitadiava Fahendrena dieny vao mifoha maraina !

Andro namoahana Apr 25, 2025

Izay rehetra noresahintsika tato anatin’ny andro vitsivitsy izay dia tena zava-dehibe, fa ny zavatra tena ilaintsika indrindra dia ny fahendrena.

Mila mandray fanapahan-kevitra maro tokoa isika, mila mandinika toe-javatra samihafa, mila mifanerasera amin’ny olona maro… Ka tena ilaintsika mihitsy ny torohevitra sy ny fahendren’Andriamanitra hanampy antsika amin’izany.

Eny, mila fahendrena amin’ny zavatra rehetra isika ! Izany no antony ilazan’ny Baiboly hoe : “Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry.” (Efesiana 5:15).

Jereo tsara ny hafatra ao amin’io andininy io : tokony mitandrina tsara ny fandehantsika isika hijerena hoe mifanaraka amin’ny fahendren’Andriamanitra ve ny safidintsika sa tsia.

Fanampin’izay dia manambara io andininy io fa mila mandinika tsara isika hoe tena mandeha amin’ny fahendrena ve sa tsia, mba hahafahantsika manitsy tena sy miverina amin’ny lalana ampandehanan’ny Tompo antsika isan’andro.

Efa hatrizay aho no tia ilay toko ao amin’ny Ohabolana,  izay itenenan’ny Fahendrena mivantana. Hoy izy : “Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.” (Ohabolana 8:17).

Ry namako, mitadiava ilay fahendrena avy amin’Andriamanitra dieny vao mifoha maraina ianao ! Ny tena marina dia tiako ny hamporisika anao mba hifoha maraina kokoa noho ny mahazatra, mba hahafahanao manokana fotoana miaraka amin’Andriamanitra sy mandray ny fahendrena atolony ho anao.

Tsy misy tsara noho ny manomboka ny andronao miaraka amin’Andriamanitra, sy mameno ny fonao Aminy, mba hanombohanao ny tontolo andro amin-kery! Sady fanampin’izany, arakaraka ny itadiavanao fahendrena no hihaonanao kokoa amin’Andriamanitra !

Aoka ianao hazoto amin’ny fitadiavanao fahendrena isan’andro eo amin’ny fiainanao, fa tsy hanenenanao izany ! 😉

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.