Misy vokatra vonona ho anao !
Tiako ny hazo. Raha ny marina, indray andro any dia te-hanana trano lehibe misy zaridaina aho, mba hamboly hazo fihinam-boa isan-karazany.
Fony aho mbola zaza dia namboly hazo maro teo amin’ny arabe misy ahy ny mpikarakara zaridaina. Nandritra ny taona nifandimby dia niara-lehibe tamiko ireo hazo ireo. Ankehitriny, manome endrika hazo mitan-dahatra mahafinaritra izy ireo ary ankafiziko manokana ireo sampany izay toy ny alan-java-maitso amin’ny fararano ka manome alokaloka sy hatsiaka ho an’ny mpitsangantsangana. Tiako ery ny mijery azy ireo avy eo amin’ny varavarankeliko, satria ireo hazo ireo dia zara raha lava noho izaho fony izahay mbola tanora.
Iray amin’ireo toetra izay mamaritra ny natioran’ny hazo dia ny voankazo vokariny. Mamaritra ny toetrantsika ny vokatry ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika. Araka ny lazain’ny Baiboly : « Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana » (Galatiana 5:22). Iray amin’ireo singa ireo ny fahatsarana. Tsara loatra ny Asan’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe tsara izy, fa tiany ho feno hatsaram-panahy koa ianao! Noho ny Fanahiny Masina dia mampitombo antsika isan’andro ao anatin’ny Hatsarany Izy.
Eny ry namako, tian’Andriamanitra hitombo ianao ary hitondra vokatra be dia be ka hikasika olona maro amin’ny Fitiavany amin’ny alalanao. Mandraraka ny Fahatsarany eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, mba hahafahanao mizara izany amin’ny hafa ! Moa va tsy tsara loatra izany ?
Ndeha hiaraka hivavaka isika : « Tompo o, misaotra amin’ny Fanatrehanao sy amin’ny Fahatsaranao eo amin’ny fiainako. Misaotra mamela ahy hiaina izany anatin’ny fahafenoana ary hanana tombony hizara Anao amin’ireo manodidina ahy. Ampio aho mba haneho hatrany ny Fitiavanao na aiza na aiza alehako. Misaotra amin’ny zavatra rehetra Tompo o ! Amin’ny anaran’i Jesosy, amen ! »