• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 30, 2025

👑 Misy satro-boninahitra miandry anao…

Andro namoahana Jon 30, 2025

Tsaroanao ve hoe oviana ianao no nanoratra taratasy tamin’olona farany ? 

Nandritry ny androm-piainany rehetra ny Apôstôly Paoly dia nanoratra taratasy maro ho an’ny fiangonana maro samihafa izay nanaovany fanompoana sy ho an’ireo mpianany izay tena akaiky azy. Maro amin’ireo taratasy ireo no ita ao anatin’ny Baiboly ary mandrafitra amin’ny ankapobeny ny Testamenta Vaovao. 

Ny taratasy voasoratra farany dia ilay antsointsika ankehitriny hoe : “Taratasy faharoa ho an’i Timoty”. Ao anatin’ireo toko ireo, Paoly dia manome ireo sosokeviny farany ho an’i Timoty, izay noraisiny toy ny zanany malalany ara-panahy, mpianatra tanora feno fitiavana an’Andriamanitra. 

Tiako zaraina aminao ny teny voarakitra ao anatin’io taratasy io izay tena nampahery ahy hatrany : “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho“ (2 Timoty 4:7). 

Nandritra ny androm-piainany manontolo, dia niady tamin’ny karazana fanafihana sy fanoherana avy amin’ny maizina i Paoly… ary tamin’ny fotoana rehetra dia ny finoany no nanampy azy haharitra sy hahazo fandresena ao amin’i Jesosy. Amin’ity andininy ity, fantany fa tsy ho ela dia hifarana ny androm-piainany, ary efa vitany avokoa izay rehetra niantsoan’Andriamanitra azy. Afaka nionona tamin’ny fanantenana avy amin’ny Teny fikasany izy, araka ny teniny ao amin’ny andininy manaraka. : “hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.” (2 Timoty 4:8).

Ry namako, miadia ilay “ady tsaran’ny finoana” anio! Miadia rahampitso! Ary amin’ny ampitso indray! Ary amin’ny andro manaraka! Ary amin’ny manaraka indray… Isan’andro, mitahiry hery vaovao ho anao Andriamanitra, fandresena vaovao, ary traikefa vaovao amin’ny finoana! Ary amin’ny faran’ny dianao, Izy tenany no hametraka satro-boninahitra amin’ny fahamarinana eo aminao, mba hiombonana Aminy amin’ny mandrakizay any an-danitra. Mahafinaritra ery izany e?

Eny, ry namako, omeo ny Tompo ny tsara indrindra avy aminao, ary miadia! Ao Aminy, manana ny fandresena amin’ny finoana ianao.

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.