• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VN Vietnamese
Andro namoahana Nov 28, 2026

Misy mitantana ianao🫱🏻‍🫲🏼

Andro namoahana Nov 28, 2026

Misy mitantana ianao🫱🏻‍🫲🏼

Faly ery ny zaza rehefa tantanan’ny rainy na ny reniny. Eny e, rehefa ny olon-tianao koa no mitantana anao dia misy fahatsapana fiarovana sy fitiavana ary tena mirehareha ianao 🥰. Sa tsy izany? Zava-dehibe ihany koa ny samy mpiara-miasa na fianakaviana no mifampitantana, mifanavotra amin’ny andro mahaory, mifampisintona miakatra. Ary izany rahateo no tokony ataontsika. 

Anefa ny olona dia voafetra ihany. Misy koa ireo manao izany izay mitady ny tombontsoany manokana. Misy ny tena manao izany amin’ny fo koa anefa. Fa averiko ihany: voafetra ny olona. Mety ilainao izy hitantana anao amin’ny tetikasanao nefa tsy afaka izy noho ny antony maro ohatra. Mety afaka ihany koa nefa izy fa tsy ampy traikefa ka tsy afaka mampita anao any amin’ny tanjona tiana tratrarina. 

Misy iray izay anefa dia tsy voafetra no vonona foana na oviana na oviana ianao mila Azy: Jesosy no anarany. Hoy ny Isaia 41:13 aminao manokana anio : “Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.”

Fahasoavana lehibe izany hoe Jehovah Andriamanitrao mihitsy no mitantana anao, ary milaza fa hamonjy anao. Koa anio, na inona na inona mety lalovanao dia fantaro fa tsy irery ianao. Mitantana anao Izy ary manome toky anao fa hamonjy anao. 

Mety efa sendra ny olona nanome toky ianao hoe hamonjy anao amin’izao sy izao kanefa tsy nataony izany. “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?” Nomery 23:19

Koa mampahery anao aho anio, aza matahotra. Hitantanana anao ho amin’ny valim-bavakao Izy. 

Satria….Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕 

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny