🕵️♂️ Misy manara-maso ianao !
Nisy namako nividy “caméra” ho atao anaty fiarany ary hoy izy tamiko hoe : "Tokony hanana iray koa ianao!" Nekeko fotsiny fa hoy aho tao an-tsaiko hoe "Inona moa no antony tokony ilako an’izany?"
Tsy ela akory tao aorian’izay, andro atoandro sady tao an-tanàna, dia vaky ny varavarankely aoriana tamin'ny fiarany, ary nisy nangalatra tao ny kitapo iray, misy solosaina sy zavatra maro sarobidy!
Hita tamin’ilay caméra fa maro ny olona teo amin'ny manodidina tamin'izay fotoana izay, nefa tsy nisy nanampy na nanao na inona na inona!
Tena gaga ny polisy teo am-pijerena ilay horonantsary tsara kalitao, izay nahitana tsara ny zava-drehetra. Nolazainy taminay fa na dia tsy hita aza ilay mpangalatra dia haveriny amin'ny alalan'ny fiantohana ny zavatra very, noho ny hatsaran’ny kalitaon’ilay sary!
Ny fiainantsika dia misy toe-javatra maro tsy azontsika hazavaina na ovaina. Angamba efa niaina zava-tsarotra lehibe ianao, ary na dia maro aza ny olona manodidina dia tsy nisy na iza na iza nanampy. Ary mbola mandratra anao foana izany ankehitriny.
Hampahatsiahiviko anao? Rehefa nanolotra ny fiainanao an'i Jesosy ianao, dia tafiditra tao izany “fakantsary” izany! Satria efa fantany mialoha fa, tahaka ahy, mety hilaza ianao hoe: "Tsy misy antony ilako an’izany!" Kanefa ny fomba fijerin'ity fakantsary ity dia tonga lafatra : "Nahitana ny zava-drehetra izy!"
“Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.” (Joba 34.21)
Afaka miantso an’ ilay "mpanome fiantohana" anao ianao, izay Jesosy Kristy, na dia feno tsikera aza ny fitarainanao. Eny, te-hamerina ny zavatra very Izy, ary…
Tsy hoe hanome anao fotsiny I Jesosy, fa te-hanampy sy hanome bebe kokoa ho anao Izy!
Omeo an’Andriamanitra ankehitriny ireo zavatra mikorontana rehetra eo aminao, ary avelao Izy hanala ilay enta-mavesatra izay tsy zakanao intsony!
Satria tena sarobidy ianao…
Fahagagana ianao!
