• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 31, 2023

Misy fiatraikany amin'ny hafa ny fiainanao !

Andro namoahana Mey 31, 2023

Matetika, isika tsy dia tonga saina ny amin'ny fiatraikan'ny zavatra ataontsika amin'ny fiainan'ny manodidina antsika.Nandritry ny taona maro, nanana tombontsoa manokana aho niasa niaraka tamin'ny karazana vondron-jatovo tao ampiangonana. Hainao ve hoe inona no zavatra tena voarain'izy ireo indrindra ? Izay zavatra tena tadidiny indrindra, tsy ny fivoriana na ireo atrik'asa izay novolavolaiko ho azy ireo manokana akory fa ireo pitsopitsony madinika. Maro tamin'izy ireo no nitsotra tamiko fa ny tena nahakasika azy indrindra dia ny fahatsoram-poko raha niresaka tamin'izy ireo aho, sy ny hoe tsy mba nanadino ny tsingerin-taonan'izy ireo aho na ihany koa, ilay isan-kerinandro, izay fotoana natokako ho an'izy ireo. Ireny fahatsiarovana ireny no nanamarika azy ireo , ary nanosika azy ireo hanome ny fiainany ho an'i Jesosy.Eny, manana fiatraikany mihoatr'izay eritreretinao ny asa ataonao. Hoy Jesosy : "Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra." (Matio 5:14-16)Ry namako, fahazavana ho an'ny manodidina anao ianao. Tian'Andriamanitra ianao hamiratra amin'ny fitiavany, mba hanomezan'ny olona voninahitra ny Anarany rehefa mahita izay zavatra ataonao. Ny asa vitanao dia manome voninahitra an'Andriamanitra !Hiaraka hivavaka isika :" Tompo ô, te hampamiratra ny fahazavanao aho n'aiza toerana halehako, ka ny fitiavanao ato anatiko anie no hikasika ny olona rehetra amin'ny fomba fihetsiko, ny fitsikiko, ny fandraisako olona, ny fahalemem-poko amin'ireo manodidina ahy. Miangavy aho, mihazavà amiko! Rakofy ny fanatrehanao aho, ary ny anaranao anie no omena voninahitra eo amin'ny fiainako. Amin'ny anaran'i Jesosy. Amen."Mihazavà, ry namako !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.