• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 7, 2025

🎊Misy fiantraikany eo amin'ny hafa ny fiainanao!

Andro namoahana Des 7, 2025

Matetika tsy azontsika an-tsaina loatra ny fiantraikan’ny zavatra ataontsika eo amin’ny fiainan’ireo manodidina antsika.

Nandritra ny taona maro, dia nanana tombony manokana aho niara-niasa tamin’ny vondrona tanora samihafa tao amin’ny fiangonana. Fantatrao ve ny zavatra tena nanamarika azy ireo? Ny tena tadidin’izy ireo dia tsy ny fampianarana na ny hetsika novolavolaiko manokana ho azy ireo, fa antsipirian-javatra kely. Maro no nilaza tamiko fa ny tena nanohina azy ireo dia ny fahatsoram-poko rehefa miresaka, ny tsy nanadinoako ny tsingerintaona nahaterahan’izy ireo, na ny nanokanako fotoana hiarahana tamin’izy ireo isan-kerinandro. Ireo fihetsika kely ireo dia tena nanamarika azy ireo ka nandrisika azy ireo hanolotra ny fiainany ho an’i Jesosy.

Eny, misy fiantraikany lehibe mihoatra izay heverinao ny fihetsikao. Hoy Jesosy: “Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.” (Matio 5:14-16)

Fahazavana ho an'ny manodidina anao ianao. Tian’Andriamanitra hamirapiratra amin’ny Fitiavany ianao, mba hankalazan’ny olona ny Anarany rehefa mahita ny ataonao. Mankalaza an'Andriamanitra ny zavatra ataonao!

Hodinihintsika mandritra ny andro vitsivitsy ireo fanalahidy izay hamela anao hamirapiratra kokoa ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Vonona ve ianao?

Hiara-hivavaka isika hoe: "Tompo ô, tiako hamirapiratra ny fahazavanao eo amin'izay alehako rehetra, mba hanohina ny olona rehetra ny fitiavanao ato anatiko, amin'ny alalan'ny fihetsiko, ny fitsikiko, ny hatsaram-panahiko, ny fahalemem-panahiko amin'ny manodidina ahy. Fenoy ny Fanatrehanao aho, ary aoka hankalazaina amin’ny fiainako ny Anaranao. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen.

MamirapirĂ ta!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.