• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Apr 14, 2024

🎁 Misy fanomezana ho anao…

Andro namoahana Apr 14, 2024

 

Raha aminao, inona no tena herin’ny zaza? Mazava ho azy tsy ny heriny ara-batana satria ireo vatany kely dia mbola andalam-pitomboana hatrany…

Tsy ny fananarana koa satrtia ny ankizy dia tsy dia mankatoa arak’izay iriantsika. Tsy ny faharetana koa =) Fa amiko dia ny fifaliana no tena herin’ny ankizy ary tena mifindra izy io.

Matetika dia manakana antsika tsy hankafy ny anio ny vesatry ny lasa na ny fanahiana ny ho avy. Manaisotra ny tsikintsika ireny ary manakivy antsika…fa ny ankizy kosa dia mankafy ny tontolo andro satria misafidy ny hiaina ny anio izy.

Ny zanak’Israely dia niverina indray tamin’Andriamanitra ary nitoloko tamin’ny fahadisoany taloha. Nasain’i Nehemia nanao andro fety izy ireo ary nohazavainy azy ireo : “fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” (Nehemia 8:10)

Avelao ny fifalian’Andriamanitra hanavao ny herinao indray ry namako anio. Momba anao Andriamanitra, eto ary ankehitriny. Manasa anao Izy hankafy ity tontolo andro ity, hifaly ao Aminy ary hanekenao hamenoany anao amin’ny Fanatrehany.

Mahereza ao amin’ny Tompo ry namako, ao amin’ny Heriny sy ny Tanjany.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.