• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 3, 2025

Misy azo atao maro.

Andro namoahana Nov 3, 2025

Hitantsika omaly fa tsy kivy i Davida rehefa nanafintohina azy ny rahalahiny… fa mbola maro be nefa ny zavatra ambadik’izany tantara izany.

dia nirehitra tamin'i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin'iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian'ny fonao,” (1 Samoela 17.28)

Ah, azonareo ve ireo teny ireo tahaka ny fahitako azy? Manoloana ny fanevatevana toy izany, sy ny fahatsapana tsy fahatokisan-tena, dia mety hilefitra haingana isika ka hiteny hoe: "Marina ny azy, aleo aho hiverina amin'ny tena asako, ary tsy mendrika ny hitondra mofo ho an'ireo rahalahiko miady mafy akory aho amin'izao ady izao."

Ny olona iray matoky tena, olona mahalala ny maha izy azy (jereo ny lahatsoratra omaly), dia ho hafa tanteraka ny famaliany an’io teny io: “Aha, ataoko fa matahotra ianareo satria fantatrareo hoe iza aho ary an’iza aho. Ny fanindrinao ny “ondry vitsy” sy izay hiambina an’ireo no mampiseho ahy fa tsy manome lanja ny asako mihitsy ianao….”

Tsy misy mahasakana izay kasain’Andriamanitra hatao anefa izany. Izao no voasoratra: "Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany." (Jeremia 29:11).

Tiako ny dikan-tenin’ny "Parole de Vie"  rehefa milaza hoe: "Fantatro ny fikasana ho anao" Manana fikasana tsara ho antsika Andriamanitra; Manana fikasana hitondra fahasambarana fa tsy loza, ho an’ny hoavintsika Izy!

Ary indro ny fandikan-teny ho anao, mba TENA ho takatrao: "Ny fikasako ho anao dia mafy orina !! Ny fahasambaranao no sitrako, fa tsy ny alahelonao. Mihevitra mafy ny hanome anao hoavy mamiratra Aho. Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no miteny aminao, satria tiako ianao!"

Raha mbola tao anatin'ny fifandraisana tsy nilamina aho, dia nisy namerina imbetsaka tamiko hoe: "Ajanony ny mozikanao sy ny hafatrao. Atao inona zany? Ho an'ireo olona vitsivitsy hotratrarinao ve?"

Raha nino an’io lainga io aho, dia tsy ho lasa “arivo vitsivitsy” na oviana na oviana ireo “olona vitsy” ireo, izay tombontsoa ho ahy ny mampahery azy ireo isa-maraina, amin’ny alalan’ny “Fahagagana Isan’andro”, mandraka androany.

Takatrao ve ny maha-zava-dehibe ny tsy finoana ny lainga ezahin'ny fahavalo hamelezana anao? Manomboha ary manararaotra ireo fahafahana kely mba hahatratrarana ireo maro hafa!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.