⛲️ Misotroa avy amin’ny Loharano!
Efa tena matin’ny hetataheta ve ianao ka hasambarana be ho anao ny misotro rano mangatsiaka tsara iray vera ?
Ny fanalana ny hetaheta dia iray amin’ireo fahatsapana tsara indrindra iainantsika eto an-tany. Mila misotro rano matetika ny vatantsika, ka raha tsy ataontsika izany dia mijaly ny vatantsika.
Ny Baiboly dia toy ny Loharano izay ivoahan’ny fampanantenana sy ny fitahiana ho an’ny fiainantsika. Afaka mandeha ao isika mba hamokiana ny hetahetan’ny fanahintsika.
Hoy ny Apostoly Paoly : “Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.” (Romana 15.4)
Jereo ny lazain’ity andalana ity ;
-
Izay rehetra voasoratra ao anaty Baiboly
-
Nosoratana ho antsika
-
Ho fianarantsika
-
Ho fampiononana antsika
-
Sy hananana fanantenana.
Sarobidy indrindra izany ! Nomen’Andriamanitra fampanantenana tena sarobidy ianao ao anaty Baiboly, fampanantenana izay miandry ny ho hita, ary afaka hinoanao. Te hampahery anao amin’ny alalan’ny Teniny Andriamanitra, hampatanjaka anao sy hameno fanantenana ny fiainanao, mba handrosoanao indray.
Efa nisotro rano mangatsiaka tsara tao amin’izany Loharano izay ve ianao anio ? Aza miandry intsony, raiso ny Baibolinao ary velombelomy amin’ny alalan’ny adinin-tSoratra Masina ny fanahinao.
Te hiara-hivavaka amiko ve ianao ? “Tompo o, misaotra ny amin’ny Teninao izay mampianatra anay, mamelombelona sy manome hery vaovao ho anay mba handrosoanay. Ampio izahay mba hisotro rano mangatsiaka tsara ao amin’izany Loharano izany, mba amin’ny alalan’ny Teninao dia hisy ranon’aina hikoriana ao am-ponay, ary mba iorenanay amin’ny fanantenana izay omenao anay. Tianay ianao Tompo ! Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen!”