Misotroa ao amin’ny Loharano!
Efa nahatsiaro nangetaheta be ve ianao, hany ka fahasambarana be ny misotro rano iray vera?
Ny fanalana hetaheta dia anisan’ireo fahatsapana mahafinaritra indrindra. Mila misotro rano matetika ny vatantsika, ary rehefa tsy misotro rano isika dia mijaly ny vatantsika.
Ny baiboly dia toy ny loharano miboiboika fampanantenana sy fitahiana ho an’ny fiainantsika. Afaka mandeha any isika mba hanala ny hetahetan’ny fanahintsika.
Hoy ny Apostoly Paoly manao hoe: “Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” (Romana 15:4)
Diniho ny hevitr’io andininy io:
- Izay voasoratra ao amin’ny Baiboly.
- Dia nosoratana ho antsika
- Hampianatra antsika
- Hampahery antsika
- Ary hananantsika fanantenana.
Sarobidy izany! Andriamanitra dia nanome anao fampanantenana sarobidy ao amin’ny Baiboly, fampanantenana miandry ny ho hita sy hinoana.
Andriamanitra dia te hampionona anao, hampahery anao ary hameno fanantenana ny fiainanao amin’ny alalan’ny Teniny mba hahafahanao mandroso hatrany.
Efa nisotro rano madio tamin’Ilay Loharano ve ianao androany? Aza miandry intsony ry namako, raiso ny Baibolinao ary velombelomy amin’ny andinin-tsoratra masina ny fanahinao.
Te hiara-hivavaka amiko ve ianao? Tompo ô, misaotra noho ny Teninao izay mampianatra anay, mamelombelona anay ary manome hery vaovao ho anay mba handroso. Ampio izahay hisotro rano mangatsiaka iray vera isan’andro eto amin’ity Loharano ity , mba hiboiboika onin-dranovelona ao am-ponay amin’ny alalan’ny Teninao, ka hiorina mafy amin’ny fanantenana omenao anay. Tia Anao izahay Tompo o! Amin’ny anaran’i Jesosy!Amen!”
Mirary tontolo andro mahafinaritra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra ho anao aho anio.