• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 14, 2025

👆🏻 Misorata anarana ary mandrosoa!

Andro namoahana Jon 14, 2025

Tena zava-dehibe tokoa amin’ny fiainantsika kristianina ity lohahevitra ity. Handeha hanohy amin’ilay andininy izay mankahery antsika manao hoe : “Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina…” (1 Petera 5:10)

Omaly isika dia nijery iray amin’ireo vokatra voalohany ateraky ny fitsapana eo amin’ny fiainantsika : tian’Andriamanitra ho tanteraka amin’ny alalan’ireo fitsapana isika.

Marina fa amin’ity dingana mialohan’ny mandrakizay ity, dia tsy misy olona tonga lafatra tanteraka. Kanefa, ireo toe-javatra sarotra lalovantsika dia manampy antsika hahatsapa ny zava-misy ara-panahy sy hahazo ny fahendrena avy Aminy.

Hoy tokoa ny Baiboly hoe : “Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.” (Ohabolana 4:18)

Ny fitsapana dia manampy antsika hitombo amin’ny finoana, mampitombo ny fahamatorantsika amin’ny zavatra ataontsika, ary mitarika antsika hitady ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fiainantsika. Ireny no mahatonga antsika hitombo bebe kokoa, hihatsara tsikelikely, ary ho feno kokoa ny fahazavan’Andriamanitra ny fiainantsika.

Fa tsy ho tanteraka fotsiny isika : fa hoy koa ilay andininy hoe Andriamanitra dia hampiorina antsika amin’ny alalan’ireo fitsapana ireo. Rehefa misafidy ny hifikitra amin’Andriamanitra isika, na dia eo anivon’ny zava-tsarotra aza, dia mihamafy kokoa noho ny hatramin’izay ny finoantsika. Eny, eo anivon’ny fitsapana indrindra no ahafahantsika mahita fa Andriamanitra dia mahatoky sy tsy mahafoy antsika mihitsy.

Izaho dia tena efa niaina izany imbetsaka tamin’ny fiainako. Tsaroako manokana ny fotoana iray izay niainanay mianakavy aretina naharitra ela sy ny  fahafatesan’olona tena tiako iray: ny renibeko.

Tamin’iny vanim-potoana tena nananosarotra iny, dia itako fa namaly ahy Andriamanitra, fa ny tena zava-dehibe dia nanampy ahy iny fotoana iny hahafantatra fa nisy zavatra maro nataoko taloha nefa tsy ilaina akory, ary nanakana ahy tsy hitombo.

Izany dia nanampy ahy hihalehibe amin’ny fahamatorako amin’ny maha-tanora ahy, sy ho tapa-kevitra kokoa amin’ny faniriana hanompo an’Andriamanitra ary hanao ny tsara indrindra isan’andro. Tsy isalasalana fa nitondra fiovana lehibe tao amiko izany !

Ry namako, tian’Andriamanitra ho tanteraka sy hiorina ianao eo anivon’ny fitsapana lalovanao ! Amin’ny fotoana sarotra, mifikira Aminy mihoatra noho ny hatrizay : afaka matoky Azy amin’ny fonao manontolo ianao.Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.