• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 25, 2024

๐Ÿ‘‹ Misintaka lavitra an'Andriamanitra sa miaraka amin'Andriamanitra?

Andro namoahana Nov 25, 2024

Efa nahatsapa ilay fientanentanana ao anaty ve ianao rehefa manambara amin’ ny namanao hoe: “Ho any amoron-dranomasina aho amin’ny herinandro”?

Izaho manokana dia tsy andriko izay hataperan’ny herinandro, satria somary mafimafy izay volana farany nolalovako izay. 

Ary tonga ihany ilay nandrasako! Niala sasatra nandritry ny herinandro ihany aho ny farany, herinandro fohy saingy tsy misy adidy miandry ahy. Tsy misy sasa-lamba, tsy mila mamaly mailaka, tsy mila solosaina, tsy mila manokatra Baiboly…!

Tsia! Aoka aloha! Fa ahoana marina ny amin’ny Baiboly? Afaka mitsahatra amin’ny famakiana Baiboly koa ve aho? Maka andro hitsaharana amin’ny fiarahana amin’Andriamanitra? Voalaza fa Andriamanitra dia namana. Rehefa miala sasatra aho dia zara raha mifandray amin’ny namako , raha tsy hoe mandefa sary mahafinaritra eny amoron-dranomasina. Fantatro fa tsy ho tezitra amiko izy ireo raha manapaka kely ny fifandraisana aho mandritry ny andro vitsivitsy!

Ry namako, ilay Andriamanitsika, izay efa miantso antsika hoe Sakaizany, (jereo ny Jakoba 2:23) dia tonga akaiky antsika amin’ny fomba tsy mampino, amin’ny maha Andriamanitra Tsitoha Azy!

Ilay Tsitoha! Izy no manana ny fahefana tanteraka amin’ny zavatra rehetra! Afaka mino an’izany ve ianao?

Manana ny fahafahana rehetra Andriamanitra ary tsy misy fetra izany! Mihoatra lavitra noho ny namana Izy - eny, Izy no Tsitoha kanefa mamela ny Tenany antsoina hoe “Sakaiza” Izy satria te ho Sakaizanao Izy! Waoh! 

Andriamanitra no manana ny fahefana tanteraka amin’ny zavatra rehetra, eny na ny fizotry ny fialan-tsasatrao aza! 

Ry namako, aza maka andro hitsaharana amin’Andriamanitra fa aleo miala sasatra miaraka amin’Andriamanitra! 

Makà fotoana hitsaharana mba hampihatra izay voasoratra ao amin’ny Zefania manao hoe : “Mangina eo anatrehan'i Jehovah Tompo!” (Zefania 1:7)

Hampiaiky anao amin’ny ireo soa maro be nomaniny  ho anao amin’ny Heriny Izy, indrindra fa amin’izao andro izao!

Eric Cรฉlรฉrier
Mpanoratra

Eric Cรฉlรฉrier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.