🤷 Misalasala ny amin’ny fahefan’Andriamanitra ve ianao ?
Omaly, nitantara taminao momban’ilay fanomezana tsy nampoizina aho izay nahafahako niara-nifaly tamin’ny reniko. Fa tsy izay ihany. Tsy mbola tapitra hatreo ny fanomezan’Andriamanitra…
Niara-nipetraka tamin’i neny tao amin’ny trano fisakafoana iray teo amoron-dranomasina aho, any atsimon’i Frantsa any (tena mahafinaritra !), rehefa avy eo nisy mpivady vitsivitsy nipetraka teo akaikinay ary nanomboka niresaka tamim-pifaliana sady niteny mafy… tamin’ny teny alemanina!
Mba hampiomehy dia niteny mafy kokoa aho hoe : “Ah itony Alemanina itony raha hiteny mafy ! haha! “ Ary dia iny fa raikitra ny resaka. Tamin’izay dia nisy iray tamin’ilay vehivavy teo kay nankalaza ny tsingerin-taonany. Nandefa zava-pisotro kely ho azy rehetra aho noho izany mba ho fanomezana kely avy aty amiko.
Tamin'izay fotoana izay dia tsapako ilay tenin’Andriamanitra manao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Marka 12.31). Ary tsoriko fa izaho koa tena tia fanomezana aloha e!
Rehefa mandrisika antsika hanao zavatra tahaka izao Andriamanitra, dia mamelona ilay fitiava- namana izao, eny na dia amin’ny fialan-tsasatra aza, satria efa nanapa-kevitra isika ny hanao fialan-tsasatra miaraka Aminy!
Tsy nampoiziko mihitsy hoe inona no hitranga taorian’izay. Nangataka anay ireo mpivady ireo hoe handeha hisotro kafe any amin’izy ireo. Mazava ho azy fa nanaiky tamim-pifaliana izahay!
Ry namako, tsy fantatray fa hay tsy anaty trano no nipetrahany fa tao amina sambo catamaran lehibe iray! Wouah!
Ary rehefa tafapetraka soa aman-tsara izahay, zava-pisotro eny an-tanana (toy ireny anaty sarimihetsika ireny!), dia nijery ahy sady nitsiky i neny, ary toa milaza amiko hoe, “Tsy misy hino antsika mihitsy, fa tena Andriamanitra tokoa no nahavita an’izao!” Niaraka tamin’izay, raha mbola tao anaty sambo izahay, dia naharay antso izy nampahafantatra azy fa voaray amin’ny asa iray izay nangatahiny!
Tena nahatalanjona ahy ny zavatra hitako! Ireo zava-drehetra notendren'Andriamanitra hifanaraka mba hanome hafaliana anay, satria efa nanapa-kevitra izahay ny haka fialan-tsasatra miaraka Aminy fa tsy lavitra Azy! Tena tsy mampino! Ary ny fijerin’i neny toa manontany ahy hoe, “Fa misalasala amin’ny fahefan’Andriamanitra angaha ianao?”
Tsy takatrao ny halehiben’ny fomba fitantanan'Andriamanitra anao sy ny fahagagana hatolony anao!
Arakaraka ny hanekenao azy hitarika anao, no vao mainka ahitanao ny anton’ny fiainanao!
Izany indrindra, ry namako, miaraha miaina amin’Andriamanitra anio! Tiavo ny namanao anio! Ary avelao ho gaga ianao amin’ny fomba itiavan'Andriamanitra anao ho setrin’izany!
