Misalasala amin’ny herin’Andriamanitra ve ianao?
Niara-nipetraka tao amin’ny toeram-pisakafoanana iray amoron-dranomasina izahay sy i Neny, tany atsimon’i Frantsa (tena tsara be!), dia nisy mpivady maromaro nipetraka teo akaiky teo, ary nanomboka niresaka tamim-pifaliana sy mafy be izy ireo… tamin’ny teny alemanina !
Ho vazivazy dia hoy aho mafy kokoa : “Eny hoy aho, ireo Alemanina ireo - raha hitabataba !” haha ! Dia teo no nanomboka ny resaka. Hay nisy vehivavy iray tamin’izy ireo nankalaza ny tsingerintaonany. Dia nampanateriko zava-pisotro kely ho an’ny rehetra, avy amiko.
Dia tsaroako ilay andininy hoe : “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Marka 12:31). Raha ny marina dia izaho koa tena tia fanomezana ! 😍
Ary rehefa mametraka zavatra toy izany ao am-pontsika Andriamanitra, dia miaina ny fitiava-namana isika na dia mandritra ny fialan-tsasatra aza, satria nanapa-kevitra isika fa hiala sasatra miaraka Aminy !
Tsy noeritreretiko mihitsy izay hitranga avy eo. Ireo mpivady ireo dia nanasa anay hisotro kafe tany aminy. Mazava ho azy fa nanaiky tamim-pifaliana izahay !
Ny zavatra tsy fantatray dia tsy tao anaty trano izy ireo kay no nipetraka, fa tao anaty “catamaran” na sambo lehibe ireny ! Oaaah ! ⛵️
Ary raha nipetraka tsara izahay, nitazona vera nisy “champagne” (toy ireny anaty film ireny!), dia nijery ahy i neny sady nitsiky, toy ny hoe : “Tsy hisy hino antsika mihitsy, Jesosy indray ity !” Ary tamin’io fotoana io ihany dia naneno ny findainy, nilaza fa nekena ilay asa nangatahiny !
Tena nahagaga be ilay zavatra hitako teo imasoko ! Ireo zava-nitranga rehetra dia natambatry ny Tompo tsikelikely, satria nanapa-kevitra izahay hiaina ny fialan-tsasatra miaraka Aminy, fa tsy lavitra Azy ! Tena mahagaga ! Ary ilay fijerin’i neny dia toy ny nilaza hoe : “Nisalasala tamin’ny herin’Andriamanitra ve ianao ?” Tena mahafinaritra !
Tsy azonao sary an-tsaina hoe hatraiza ny fitarihan’ilay Andriamanitra anao amin’ny fomba mahagaga !
Arakaraky ny hamelanao Azy hiaraka aminao, no hahitanao bebe kokoa ny lalana natokana ho anao !
Izany no antony hoe :Miainà miaraka Aminy - anio ! Tiava ny namanao - anio!Ary avelao Izy hanaitra anao koa amin’ny fomba hitiavany anao!
Fahagagana ianao !