Mirehitra ve ianao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Mirehitra ve ianao ?

Efa nahare an’Andriamanitra niteny tamin’ny fonao ve ianao ? Anisan’ireo fahatsapana miavaka indrindra ny fahenoana ny feon’Andriamanitra.
Niaina izany tamin’ny fomba azo tsapain-tànana ny mpianatra. Taorian’ny nahafatesan’I Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, raha teny an-dalana nihazo tanana iray izy ireo dia Jesosy mihitsy no niseho taminy. Na dia tsy nahalala Azy aza izy ireo tamin’izay, dia nisy fotoana nisokatra ny masony ary nihiaka izy nanao hoe : “Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika ?” (Lioka 24:32)
Izany mihitsy no vokatry ny Fanatrehan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika : manomboka mirehitra ny fontsika. Milaza ny Baiboly fa “Andriamanitsika dia afo mandevona.” (Hebreo 12 : 29), izay te handrehitra antsika, te hampiredareda antsika amin’ny afon’ny Fitiavany sy ny Fanatrehany. Miteny amintsika Izy toy ny nataony tamin’i Mosesy raha niseho taminy tao anatin’ilay kirihitr’ala mirehitra. Miredareda ny fontsika rehefa eo amin’ny Fanatrehan’ilay Mpahary.
Hivavaka isika : “Tompo o, mangataka Aminao aho handrehitra ny foko amin’ny Fanatrehanao. Te hodiovinao sy hofenoinao ny Fitiavanao aho. Maniry hiaina fihaonana mivantana Aminao aho, mihoatra noho ny teo aloha, ary mba hohavaozinao anie ny tenako manontolo ry Andriamanitro. Sokafako manontolo ho Anao ny foko Tompo o. Misaotra Anao aho amin’izay hataonao amin’ireo andro ho avy ! Amin’ny anaran’i Jesosy, Amen !”
Mirary tontolo andro mahafinaritra ry namako.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!