Miravoravoa !
Ny fiadanana dia anisan’ireo toetoetra hita matetika eny amin’ny kristiana.
Izany mihitsy no lazain’ny fahasambarana fahafito :” Sambatra izay miasa ho amin’ny fiadanana; fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra” (Matio 5:9). Ety amin’izao tontolo dia maro ny zavatra sy ny olona te hangalatra ny fiadanantsika. Saingy ny fiadanana dia fanomezana avy amin’Andriamanitra ! Tsy misy olona afaka maka azy amintsika raha tsy manaiky isika. Marina fa indraindray mandalo zava-tsarotra isika eo amin’ny fiainantsika, saingy anatin’ny tranga rehetra dia ny fiadanana no safidy tsara indrindra ho antsika. Manasoa antsika sy ireo manodidina antsika izy.
Eny ry namako, mampiseho amin’ny hafa ny maha-zanak’Andriamanitra antsika marina io fiadanana io. Tsy azon’izao tontolo izao izany ary gaga mihitsy aza izy ireo rehefa mahita io fiadanana io eny amintsika. Io no mahatonga antsika mahatsapa fifaliana eo anivon’ny fanenjehana, araka ny lazain’ny fahasambarana fahavalo farany : « Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ny lanitra; Sambatra hianareo, raha haratsian’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo” (Matio 5:10-12).
Ny fahasambarana dia mamela anao hiditra anatina refin’ny finoana, fitiavana ary fiadanana, izay manome anao fahafahana miavaka entina miatrika ny olan’ny fiainana. Na inona na inona fanenjehana mihatra aminao anio ry namako dia afaka mahatsapa ny halalin’ny afo sy ny fifaliana izay hitondra anao hifaly ao amin’Andriamanitra ianao. Eo anivon’io toe-javatra io dia hampiravoravo anao ny Fitiavany sy ny Fandreseny ! Tena tsy hay refesina ny Andriamanitsika !
Te hampifaly anao Andriamanitra. Hameno anao isan’andro anie ny fifalian’Andriamanitra mahatehotia.