Mila torohevitra ve ianao ?
Efa nisy nanome torohevitra ratsy ve ianao ? Samy mila torohevitra daholo isika
amin’ny fotoana samihafa.
Momba izany indrindra, ny Baiboly dia milaza fa « Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena. » (Ohabolana 24 :6). Fa saingy zava-dehibe ny manamarina fa olona azo antoka no hanontanitsika izany
Rehoboama, zanak’i Solomona, no notendrena ho mpanjakan’ny Isiraely rehefa maty ny rainy. Nihaona taminy ny vahoaka ary nangataka taminy ny mba hanamaivanana ny fanompoana sy ny zioga mavesatra izay nampitondrain ‘i Solomona azy ireo. Nangataka torohevitra tamin’ny ireo zokiolona izay nanompo an-drainy i Rehoboama ary hoy izy ireo taminy : « Raha ho mora amin’ny vahoaka ianao ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. » (2 Tantara 10 :7). Tena torohevitra tsara izany !
Tsy nihaino azy ireo anefa i Rehoboama ka nanapa-kevitra ny hanaraka ny torohevitr’ireo namany fony fahazaza, dia ireo tovolahy sahisahy izay nanoro hevitra azy ny handrahona ny vahoaka amin’ny fampahoriana sy fanandevozana bebe kokoa noho izay nasain’ny rainy natao. Fahadisoana lehibe anefa izany! Vokatr’izany dia nizarazara ny fanjakan’ny Isiraely, ka foko 2 tamin’ireo 12 ihany no sisa tavela tamin’i Rehoboama.
Ry namako, fanapahan-kevitra diso iray dia mety hisy fiantraikany amin’ny anjaranao mandrakizay. Izany no maha-zava-dehibe ny fakana torohevitra amin’ny olona marina sy azo antoka, ary ambonin’ny zavatra rehetra, ny mangataka mandrakariva ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka.
Te hangataka torohevitra Aminy ve ianao izao ? « Tompo o, misaotra anao eo anilako mandrakariva ary mitari-dalana ahy. Mangataka Aminao aho mba hanampy ahy hamantatra izay tianao hataoko amin’ny fotoana rehetra, ary hampifandray ahy amin’ny olona izay manome torohevitra marina sy mifanaraka amin’ny sitraponao. Fa ambonin’izany rehetra izany, ampio aho hihaino Anao, sy hanaraka izay rehetra asainao ataoko. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen ! »