• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 28, 2026

Mila miala teo ianao,...

Andro namoahana Feb 28, 2026

Tsy te hanamarin-tena aho, fa eny, nisy fotoana, mazava ho azy fa nifoka rongony aho.”

Vehivavy tanora mpanao lamaody iray izay no niteny izany tamiko tamin’izy nikarakara ahy rehefa naka sary izahay. Nararaotiko ilay fotoana - tsy isan’andro no karakaraina toy izany ny voloko, mba hamantarako ny fiainana ambadik’ity vehivavy tena manan-talenta ity.

Vehivavy, tanora, feno tombokavatsa hatrany an-tongony ka hatrany an-tampondoha, kanefa dia feno fahatsorana mahatalanjona. Notantarainy ahy ny lasany tao anatin’ny tontolon’ny fety “electro/techno”. Tamin’izay, ny tiany tenenina ahy dia hoe niodidina tamin’ny resaka fety fotsiny ny fiainany.

Napetrako taminy ity fanontaniana ity hoe : 

💬 Efa nifoka rongony ve ianao?”

Nivantana be ny valinteniny :

💬 “Eny, mazava ho azy. Tsy afa-bela tamin’izany mihitsy ny tena. Ary raha vao manandrana indray mandeha ianao… dia te hanjifa foana foana.”

Nojereko tsara izy. Tena tsara tarehy, feno fifaliam-piainana ankehitriny. Ka dia nanontaniako hoe :

💬 “Ahoana no nataonao nialana tamin’izany?”

Nampitolagaga ahy ny valinteniny. Satria nisy fahamarinana maneran-tany izany : “Mba hialako tamin’izany, dia tsy maintsy niala aho! Tsy maintsy notapahiko ny fihavanana tamin’ireo namako. Nianatra ny nitandrina ny amin’izay fitaomana ahy aho.” 

🔥 Ianao koa ve maniry ny hiala amin’ny zava-misy anao iray? Ka tahaka ity mpanjaitra ity, dia mila manalavitra izany ianao, ny amin’izay mety hitaona anao.

Inona avy ireo fitaomana tsy maintsy atrehinao? Tsapanao ve ny fiantraikan’izany aminao?

Tsy tian’Andriamanitra ho very anatin’izay manimba anao ianao. Ary aza mihevitra hoe efa tara loatra : 

💛 Tsy ho alavitra loatra mihitsy ianao, fa tsy maintsy ho hitan’I Jesosy foana!

Miteny anao Izy hoe : “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” (Salamo 32:8)

Koa manasa anao aho handray izany fanapahan-kevitra izany anio.

Ataovy izay rehetra mety hanova ny fiainanao - ho amin’ny tsara. 🙏

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.