💪🏻 Mila mandray fanapahan-kevitra ianao!
Tsy maintsy taitra ihany Josefa tamin’ny voalohany raha nahafantatra fa behovoka ny fofombadiny! Nefa tsy izy no rainy!
“Nikasa ny hisaraka aminy mangingina izy noho izany”. Raha mbola nieritreritra izy no indro nisy anjelin’Andriamanitra niseho taminy tamin’ny nofy ka nanao taminy hoe: “Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra ny hampakatra an'i Maria ho vadinao. Eny, ny zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina.”
Mifono fanalahidy manan-danja ho an’ny fiainanao io andininy io! “Fa raha mbola nisaina izany izy…” (Matio 1:20) Misy toe-javatra eo amin'ny fiainana izay tiantsika handosirana tahaka ny nahazo an’i Josefa… ary tsy te handray fanapahan-kevitra isika satria toa tsy misy hantenaina ny zava-drehetra.
Mandray fanapahan-kevitra diso isika rehefa tsy mieritreritra tsara!
Aoka ho dinihina tsara. Inona no dikan’izany teny izany aminao?
Azontsika hakana fampianarana ny zavatra nataon’i Josefa! Satria voasoratra hoe: “...Fa raha mbola nisaina izany izy, indro , nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin’ny nofy” (Matio 1:20) Noho izany, rehefa maka fotoana hieritreretana ianao, dia manampy anao handray fanapahan-kevitra tsara Andriamanitra!
Eo am-pieritreretana ianao dia efa misy zavatra miseho!
Alaivo sary an-tsaina ny fitsimbadikin’ny tantaran’i Josefa raha toa ka tsy afaka nandray fanapahan-kevitra izy! Fa satria izy niatrika izany toe-javatra sarotra izany dia nampahafantarina azy ny marina izay manafaka azy: “….fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,” (Matio 1:20)
Fanapahan-kevitra sarotra toy ny inona no miandry anao? Aza matahotra ny hiatrika izany! Eritrereto am-pitoniana ary katsaho ny fanatrehan’Andriamanitra! Rehefa manao izany ianao dia ho hitanao ny fomba hanehoany anao ny lalana (jereo ny Salamo 16:11)
Araka ilay teny hoe : “Ao amin’ny fahatoniana no misy ny hery”
Fahagagana ny fisianao!
