• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Sep 24, 2025

☁️ Mila lalan-kivoahana avy any an-danitra?

Andro namoahana Sep 24, 2025

Fantatrao ve ny zavatra sarotra indrindra amiko?

Ny manafoana fampisehoana iray satria marary aho. Misy fanapahan-kevitra tahaka izao izay tena sarotra amiko, noho ny tahotro handiso fanantenana olona sy izay mety ho fihetsik’izy ireo. Fantatrao ve izany fahatsapana izany?

Tamin'ny fiandohan'ny taona, rehefa tsy maintsy nanafoana fampisehoana iray aho, dia tena nalahelo mafy. Avy eo, nibitsibitsika teo an-tsofiko Andriamanitra hoe: "Nahoana ianao no mitondra entana izay tsy anao? Tsy heverinao ve fa afaka manazava ny zava-misy aho, ho an'ny tombontsoan'ny mpikarakara sy ny anao?"

Fa ndao atombontsika hatramin’ny voalohany: Sitrak’Andriamanitra ny fiainako tahaka ny nankasitrahany ny fiainanao koa. Faly Izy amin’ny dingana ataoko amin’ny fanatanterahana ny fanompoako, tahaka ny firavoravoany amin’izay vitanao amim-pahatokiana ho Azy ihany koa.

Mety ho hafa tanteraka ny zavatra andrasan’Andriamanitra aminao. Ohatra, ny fikarakarana ireo zaza nankininy taminao, hiady ho an'ny tokantranonao, ary, ... ny zava-dehibe dia ny mahafantatra fa Andriamanitra dia mahita izany karazana asa izany - ary tsy mandinika fotsiny Izy fa manomana lalana ho anao, eo amin izay tsy hahitanao intsony!

Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany… eny, any an-efitra no hanaovako lalana …” (Isaia 43:19)

Tsy tongatonga ho azy ireo teny ireo, ary tsy nambara ho azy tao amin’ny Baiboly, fa hataony tanteraka aminao izany!

Nanao ny ainy tsy ho zavatra i Estera tamin’ny fahasahiany nangataka tamin’ny Mpanjaka mba hanafoanana ilay didy handringanana ny Jiosy.

Raha ny marina, izany no drafitr'Andriamanitra ho an'ny fiainany. Izay no iraka nampanaovina azy. Ary nahatanteraka tsara ny zavatra nangatahany Andriamanitra: “Nanokatra lalana tany an-efitra Izy”. Satria nomeny an’i Estera ny fahasoavana sy ny fahefana avy any an-danitra. Izao no voalaza : “Ary nony hitan'ny mpanjaka fa, indro, Estera, vadin'ny mpanjaka nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy…”( Estera 5:2 ).

Andriamanitra irery ihany no afaka manao izany. Tsy natao ho an’i Estera fotsiny anefa izany; fa tiany ho tanteraka ho anao koa!

Aoka hifantoka amin’Andriamanitra amin’ny fahatokiana tanteraka isika fa hanokatra ny lalana amin’ny toe-javatra rehetra Izy.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.