• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 27, 2026

Mila fihinina ve ianao ? ❤️‍🩹

Andro namoahana Mey 27, 2026

Fony aho mbola zatovo, dia tena naniry mafy “hanana olon-tiana” aho. Fantatrao ve ny antony?

Tena nahafinaritra tamiko ilay hoe eo an-tratrany. Afaka miala sasatra tanteraka. Mijanona ao anatin’izany fihina izany, ary avy eo afaka mandray anjara amin’ny resaky ny namako, amin’ny fihomehezany, ary indraindray koa mizara ny fahoriany.

Angamba io tsy fahampiana io mihitsy no tsapanao amin’izao fotoana izao. ❤️‍🩹

Angamba efa manambady taona maro ianao, nefa efa ela be no nahazo fihina farany… Angamba efa niteraka aza ianao, nefa ny fitsidihany farany – mainka fa ny fotoana farany nahafahanao namihina azy – dia efa volana maro lasa…

Fa fantatrao ve fa : Na dia tsy mamihina anao aza ny olona, Andriamanitra dia fialofana ho anao mandrakariva?

“Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana” (jereo Deoteronomia 33:27)

Iaino ity antoka ity : Eo an-tsandriny ianao! Eo an-tsandrin’ilay Rainao izay tia anao, entin’Ilay tsy hahafoy anao na dia manao fahadisoana aza ianao! Tsia, satria voasoratra hoe :

“Fa na dia tsy mahatoky Azy aza isika dia mbola mahatoky ihany Izy (2 Timoty 2:13)

Tsy misy fihin’olombelona mitovy lanja amin’io fihina io. Izany no antony tsy tokony hampalahelo anao raha tsy ampy fihin’olona ianao. Tsarovy : Andriamanitra te hanome anao fihina avy any an-danitra! ❤️

Iaino ity antoka ity : voafihina ianao. Eo an-tsandriny ianao. Eo no ahafahanao miala sasatra tanteraka. Afaka mipetraka miaraka amin’ny namanao ianao avy eo amin’io toerana azo antoka io, miresaka, mihomehy ary mitomany koa.

Alaivo sary an-tsaina io toerana misy anao io, raiso ao am-po izany, ary amin’ny manaraka rehefa mahatsiaro irery indray ianao ka mitsiriritra ny hafa, dia tsarovy : trotroin’ny Rainao any an-danitra ianao. Ary miaina eto amin’ity tontolo ity ianao – voaaro sy trotroiny!

Mamporisika anao aho hanana tontolo andro tena tsara, avy ao anatin’izany fihina izany!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.