• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 27, 2025

đź‘€ Mila fanovĂ na fomba fijery ny fahakivianao

Andro namoahana Feb 27, 2025

Taona maro lasa izay, raha mbola zazavavy kely aho, dia niasa tamin'ny teatra ny ray aman-dreniko. Tena te-hijery fampisehoana aho tamin’izay!

Nangataka tamin’izy ireo aho, nefa hoy izy: "Tsy milamina ny sainay. Tsy misy olona hiahy anao any, ary na dia azo antoka aza ilay toerana, tsy mahazo antoka izahay hoe ho avelanay irery ao ianao. Tsara kokoa raha mijanona ao an-trano ianao!"

Kivy aho tamin’izay! Nalahelo be mihitsy aho satria ny hitako dia ny hoe : "Tsy tiany hahita ilay fampisehoana aho. Nahoana ny hafa no mahazo mijery fa tsy izaho?" Raha ny marina, ny vokatry ny ratrako ihany no itako…

Ny ray aman-dreniko nefa, raha araka ny tadidiko, dia tsy mandray fanapahan-kevitra irery izany fa maka torohevitra anaty vavaka foana, ary tao no nahatsapany tao am-pony fa niteny taminy Andriamanitra.

Eny, tsy mandray fanapahan-kevitra izy ireo raha tsy aorian'ny fanovàna fomba fijery. Tsy mihetsika araka ny fihetseham-pon'ny olona fotsiny izy ireo, fa mijery amin'ny fomba ambony.

Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.” (Salamo 36.9)

Ilay fahakiviana ireo no toy ny hazavana hitany. Na dia toa tsy hazavana ary no hita fa fahadisoam-panantenana.

Tamin'io hariva io, nirehitra ny afo tao amin'ny io toerana io ka voatery nofoanana ny seho. Nandositra daholo ny olona. Diniho anie: ilay zazavavy kely irery, teo afovoan'ny vahoaka! Mahatsiravina izany!

Rehefa nanova ny fomba fijeriny izy ireo, dia nahita zavatra tsy hitantsika raha tsy apetraka amin'Andriamanitra ny fanapahan-kevitra!Ity zava-nitranga ity dia tsaroako foana nandritry ny taona maro, ary tsapako fa maro ny toe-javatra amin'ny fiainana izay amin'ny voalohany toa mampalahelo antsika, nefa rehefa ela ny ela dia mahagaga.

Manentana anao aho mba hanova ny fomba fijerinao amin'izao fotoana izao. Apetraho eo ambonin'ny hazavan'Andriamanitra ny fanontanianao sy ny fahakiviana dia ho hitanao koa ny hoe: ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.

Matokia mihoatr’izay takatrao satria ao anatin'ny hazavany no ahitanao ny tena mazava!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.