đź’ˇ Mila anao ity taranaka maditra ity!

Efa mamaraparana ilay andininy isika. Manantena aho fa isan'andro ianao dia maniry bebe kokoa ny hanana fomba fisainana tsotra sy mazava, ary tsy ho very intsony anaty fimonomonomana, fitarainana, fifosana na zavatra hafa mitovy amin'izany!
Hoy ny tohin’ilay andalan-teny: “Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao…,” (Filipiana 2:14-16)
Araka ny efa noresahako omaly dia mivavaka aho mba ho vokatry ny zavatra rehetra noresahintsika tato anatin’ny andro vitsivitsy lasa izay dia ny hahatonga anao ho zanak’Andriamanitra tsy misy pentina, hamirapiratra na aiza na aiza misy anao.
Raha ny zava-misy dia mamiratra kokoa ny mazava arakaraky ny halalin’ny haizina... ary dia mitombo hatrany ny haizina ka manamaizina izao tontolo izao, raha izay no mahalaza azy kokoa!
Eo anatrehan’izany anefa, indraindray isika dia manao fomba fijery diso. Rehefa mifantoka be loatra amin’ny tenantsika sy amin’ny famirapiratan’ny fahazavantsika manokana isika noho ny haizina manodidina antsika, dia mety lasa manana toetsaina mpiaro tena. Eny, rehefa miezaka manalavitra ny tenantsika amin'ny zavatra rehetra manodidina antsika isika, satria tsy tiantsika hisy handoto ny fahazavantsika. Feno fanahiana, hany ka mahatsiaro rahonan’ny haizina, ary lasa tsy mahatoky tena…
Mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy: ny haizina no tokony hatahotra antsika. Ny fahazavanao dia tsy nomena anao mba hanalaviranao ireo izay ao anaty haizina, fa kosa, mba hampisy fiantraikany marina amin'ireo manodidina anao, ka hahatonga azy ireo koa haniry ny hivoaka ao anaty haizina!
Ry namako, amin’ny alalanao no tian’Andriamanitra hanova ity taranaka maditra ity! Ankehitriny, manapaha hevitra ny hino ny herin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao, izay mahery lavitra noho ny an’ny haizina. Mamirapirata amin-kery! Mivavaka aho mba hahafahanao hizara ny Fitiavany sy ny Fahatsaram-pony ho an'ny olona tsirairay izay mifanojo amin’ny ny lalanao, ary mba hisy fiantraikany anie izany izany.
Fahagagana ianao!

