• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Sep 13, 2025

💪🏻 Mijoroa - dia hitahy anao Izy!

Andro namoahana Sep 13, 2025

Fantatrao ve ilay “hanoanana anelanelany” kely?

Rehefa injay mitaky tampoka ny hanoanana mandritry ny folak'andro? Mijoro eo anoloan'ny vata fampangatsiahana isika, mandinika azy - dia manontany tena hoe nahoana no vetivety ihany dia tonga teo? Haha.

Tato ho ato, sahirana loatra aho, ka lasa adinoko tanteraka ny niantsena. Ka dia nijoro teo anoloan'ny vata fampangatsiahana ny tenako, sondriana tanteraka. Raha tsorina dia tahaka izany foana no zava-nitranga nandritra ny herinandro. Na izany na tsy izany, nahoana nefa no voky tanteraka foana aho?

Marina fa hoe niserana indray alina ny ray aman-dreniko ary nitondra sakafo. Ay, ny ampitso dia nisy nanasa ahy hiaraka hisakafo ihany koa! Avy eo ilay sakafo atoandro nankalazana ny tsingerintaonan’ilay namako iray - voky tanteraka aho tamin'izay! Vao haingana dia tonga hitondra sushi izay tena tiako ilay namako iray hafa, tampoka teo!

Ary arakaraka ny niasako saina no nahatsapako fa - na tsy miahiahy aza aho - ampy ahy foana ny haniko! Na dia foana aza ny vata fampangatsiahako!

Na dia mivoaka matetika aho ka tsy manana fahafahana loatra hiantsena isan’andro, dia tsapako fa mikarakara ahy Andriamanitra amin'izay lafiny iray izay, te hanao tahaka izany ho anao ihany koa Izy anio!

Natolotrao ho an’Andriamanitra ny fiainanao, koa Izy ihany koa dia handray an-tanana izany. “Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao; Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao.” (Ohabolana 3:5-6)

Mety hoe sondriana ianao mahita ilay zavatra foana manodidina anao. Tsy momba ny vata fampangatsiahanao fa ireo fanirianao. Faniriana izay nantenainao fatratra, saingy rava tanteraka.

Mihoatra lavitra noho izany zavatra foana izany, manasa anao aho hitombo hery ka hijoro ka hizotra amin'ny lalana, fa voalaza hoe : “Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao.” (Ohabolana 3:6) ary “Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.” (Ohabolana 16:3)

Koa handeha isika hiroso amin'ny lalam-pitahiana vaovao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.