• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 5, 2026

Mijery etsy sy eroa koa ve ianao... ? 🧐🤭

Andro namoahana Feb 5, 2026

Afapo amin’izay anananao ve ianao.. ?

Vao tsy ela izay, nandeha nisakafo irery aho. Raha mbola teo am-pankafizana ny sakafoko iny, dia nisy nanolotra tsindrin-tsakafo teo amin’ny latabatra teo akaikiko. Gaga ny tenako nijery izany tamim-pitsiriritana, sady niteny anakampo hoe:

"Ahoana raha manafatra tsindrin-tsakafo dieny izao, mba tsy hiandry ela intsony rehefa lany ny sakafoko?" 😁

Indrisy, ... tsy tahaka izany ve ny zava-mitranga matetika eo amin’ny fiainantsika? Mikaroka foana izay zava tra mbola tsy ananantsika isika – ka vokatr’izany, dia tsy hitantsika intsony izay efa eo am-pelatanantsika amin’izao fotoana izao! Tena natsiro ny sakafoko, saingy noho ilay fisainana hoe: "Mila ny tsindrin-tsakafoko aho", dia tsy nankafiziko intsony ilay izy!

Tena mahatsapa ve isika fa tombontsoa lehibe ny fananana sakafo ho hanina isan’andro? Zavatra hadinontsika matetika izany, sa tsy izany?

Angamba mety tsapanao amin’izao fotoana izao fa tsy tena sambatra ianao. Sao tsy hitanao intsony ireo fitahiana rehetra efa nomena anao ?

Jereo ity andininy ao amin’ny 1 Timoty ity: "Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana..." (1 Timoty 6.6)

Izao angamba no fotoana mety ho antsika mba hijanonana kely sy hisaintsainana ireo rehetra efa noraisintsika. Jereo ange ny "sakafonao" eo amin’ny fiainanao – ireo zavatra omena anao amin’izao fotoana izao. Mety ho finamanana izany, na fotoana miaraka amin’ny fianakaviana, na ireo fifaliana kely isan’andro izay matetika tsy asiantsika vidiny.

Satria: Rehefa mitsiriritra ny fahasambaran’ny hafa isika, dia mety tsy hahita ny antsika intsony.

Mampatsiahy antsika Andriamanitra fa tsy voatery hiezaka hitady "bebe kokoa" foana isika (jereo Mpitoriteny 3.13). Mifanohitra amin’izany ary, manasa antsika Izy mba hahita fahafaham-po amin’izay omeny antsika.

Koa andeha haka fotoana kely hijanonana, hankasitrahana, ary hisaorana Azy amin’izay ananantsika. Ary rehefa tonga ny tsindrin-tsakafo 🍰, dia afaka hankafy izany ianao – nefa tsy ho matiantoka tamin’ilay sakafonao teo aloha!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.