• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 14, 2026

Mijanòna, mijanòna!

Andro namoahana Jan 14, 2026

Ny zavatra sarotra iainana indrindra angamba dia ny mijanona amina toerana iray izay tsy misy zavatra mandeha araka ny noeritreretinao!

Mety ho asa izany, na fanambadianao, na koa ny Fiangonanao. Ho ahy manokana dia ilay sekoly fianarana baiboly nosafidiako. Nivahiny tamin’ny firenena hafa aho, ary ny nampianarina anay mikasika ny finoana dia indraindray tsy nazava tamiko mihitsy. Tsy nahazo aina mihitsy aho!

Teo am-pitomaniana no niantsoako an’ny mamanay : “Te hody aho!” Tamim-pahendrena dia nampahereziny aho hoe : “afaka atsahatrao ilay fianarana raha tianao, kanefa mijanòna kely ihany aloha mba ahitana hoe maharaka tsara ihany ve ianao.”

Nampionona ahy ireo teniny ireo. Ny fahafantarana  hoe efa hody atsy ho atsy no nanampy ahy hankafy ny fotoana sisa hijanonana, nanampy ahy mba hitia ireo olona nanodidina ahy, na dia samihafa tanteraka aza ny kolontsainay!

Ny Apôstôly Paoly, ilay mpandeha alavitra, dia teny an-dalana ho any Makedonia. Na izany aza dia nanoro hevitra an’i Timoty izy hoe : “Ianao, mitoera ao Efesosy.” Mety diso fanantenana tanteraka i Timoty : “Fa maninona raha mba ianao fa tsy izaho? Tsy mahafinaritra ahy mihitsy ny mitoetra aty!”

Hoy i Paoly hoe : “fa ny anton'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy, izay nivilian'ny sasany, ka nania ho amin'ny taria foana izy.” (I Timoty 1:5-6)

Nasainy nijanona izy mba hiparitaka ilay fitiavana!

Rehefa nanapa-kevitra ny hitia aho, nisy zava-mahagaga lasa nitranga! Nisy mpivaro-tena iray niditra tao amin’ilay sekoly fianarana Baiboly. Hoy izaho taminy : “Avia, mipetraha eto akaikiko.” Nanolo-tena ho an’I Jesosy izy tamin’ny farany, sitrana tanteraka, ary ankehitriny dia lasa renim-pianakaviana finaritra, manan-janaka roa.

Izay no antony tokony hijanonanao : te hampiely ny Fitiavany amin’ny alalanao I Jesosy! Ary manana tantara mahafinaritra tiany hosoratana miaraka aminao Izy!

Ny Rainao any an-danitra dia mampahery anao hatrany : “Mijanòna, mijanòna miaraka Amiko, fa Izaho eto miaraka aminao!”

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.