😵 Mihozongozona ve ny fijerinao ?
“Lazain’ny Fanahy Masina mazava tsara fa any am-parany any dia hisy olona sasany handao ny finoana; ny hahababo azy dia fanahy mamitaka sy fampianaran-demony” (1 Timoty 4:1)
Namaky ity andininy ity aho taorian’ny nandaozan’ny namako ahy. Vao avy nizara tamiko izy hoe, noho ny olany ara-pahasalamana, dia nanaraka ireny fitsaboana tsy mahazatra avy amin’ny hery hafa tsy hita maso sy ny astrolojia ireny izy.
Nanatrika irony fampiofanana momban’ny fipoahana ara-bola amin’ny fandraharahana irony izy, izay nandoavany vola be ihany koa. Ankoatra izay, nividy fanampin-tsakafo amin’ilay hika farany ireny izy, izay naseho taminy nandritra ny hetsika iray. Nahatsapa filàna maika izy hanatsara ny fahasalamany hono.
Vao nandre ny teniny fotsiny aho dia efa tohina be. Sady mandany vola no mandany fotoana ny zavatra nataony, nefa tsy mitondra ny fiadanana tadiaviny akory.
Raha sanatria ka very ny fiadanantsika noho ny fikarohana vahaolana, fotoana tokony handinihantsika tena izany mba hanitsiana azy.
Tamin’io andro io koa vao avy nanao fizahana ara-pahasalamana mihitsy aho, ary notenenina hoe tokony hijery “psychologue“ iray izay : Malaza amin’ny resaka fisaintsainana izy. Hanampy anao hifoha ara-tsaina izy.”
Vonjeo! Mba tsapanao ve? Feno manodidina antsika ny hoe mpanolo-tsaina, mpampiofana fomba fiaina, ary mpitsabo amin'ny fomba isan-karazany! Miatrika an’io andininy io isan’andro isika. Ary noho ny maha zava-dehibe azy, tiako averina indray:
Hoy ny Fanahy Masina amin’ny fomba mazava: “Lazain’ny Fanahy Masina mazava tsara fa any am-parany any dia hisy olona sasany handao ny finoana; ny hahababo azy dia fanahy mamitaka sy fampianaran-demony” (1 Timoty 4:1)
Tsy hoe diso daholo ny zava-drehetra. Misy zavatra tsara sy mety tokoa! Fa alohan'ny zava-drehetra, ny fampianarana madio avy amin'ny Filazantsara no tokony hapetraka ambony indrindra.
Satria ny fampianarana madion'ny Filazantsara no hany afaka manampy antsika hahatsapa raha mivily lalana isika.
“Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33)
“Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:19)
Ny fampianarana madion'ny Filazantsara dia hampahatsiahy anao avy hatrany ity fahamarinana sarobidy ity: “Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao” (Jeremia 10:6)
Ny tena marina dia izao : Ny Andriamanitrao irery ihany no afaka manatanteraka ireo rehetra irin’ny olona maro ho tanterahina.
