Mihoatra noho ny zaza…
Manahoana ianao ry Namako,
Amin’ny maha-kristiana, araka ny fanao hatrizay, na dia fantatsika aza fa tsy teraka ny 25 desambra i Jesosy dia io no fotoana ankalazantsika ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Fotoana tsara iresahana momba Azy ihany koa izany…
Androany dia mijery ny maha-Izy ny Tompo isika, ary fantatsika fa tsy Ilay Jesosy “zaza” intsony Izy. Fa tamin’ny fotoana nahaterahany? Hevero anie ny mpiara-monina amin’i Maria sy Josefa e… Inona no hitan’izy ireo raha nijery io zaza io ? Inoana marimarina fa tsy misy afa-tsy ny maha-zaza azy…
Nefa, io zazalahy io no Ilay Mesia nandrandraina fatratra. Ny teny hoe Mesia dia midika hoe mashiach amin’ny teny hebreo, izay midika hoe hosotra, ilay voahosotra. Ao amin’ny testamenta taloha, karazan’olona telo ihany no nahazo hosotra: ny mpisorona (jereo ny Eksodosy 28.41), ny mpaminany (1 Mpanjaka 19.16) sy ireo mpanjaka (indrindra ireo avy ao Israely, jereo ny 1 Samoela 9.16).
Mahaliana tokoa ny mandinika fa Jesosy dia manana asa telo in-dray miaraka. Satria dia sady mpisorona Izy (vakio ny Hebreo 7.17) no mpaminany (vakio ny Lioka 7.16) ary Mpanjaka mazava ho azy ! (vakio ny Jaona 19.19, Apokalipsy 17.14)
Inona no ifandraisan’izany aminao androany ry namako ?
Izay hitan’Andriamanitra ao aminao dia tsy manan-danja noho ny tena zava-misy. Ny zava-dehibe dia ny fiheveran’Andriamanitra anao. Izy no mahalala ny antony niantsoana anao! Androany dia anjaranao ny ho tonga tahaka izay niantsoan’Andriamanitra anao, izay tsy miankina amin’ny fiheveran’ny hafa anao. Anjaranao ny mitombo amin’ilay antso napetrany ao aminao. Antso manokana tsy azo ivalozana io.
Amin’ity andro krismasy ity, tadidio fa tahaka ny fijery mihoatra noho ilay zaza tao an-tranon’omby no mampihoatra ny fiheveran’ny hafa ny momba anao. Nateraka mba handrafitra tantara ianao ary hanova ny tany amin’ny fanekena ny tian’Andriamanitra ho anao ! Ry namako, aza mety voasakan’ny fiheveran’ny hafa intsony fa tongava araka izay nolazain’Andriamanitra ny aminao !
Mirary krismasy sambatra ho anao. Tiako avy amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy ianao.
Misaotra fa misy ianao !