💠Mihoatra lavitra noho izay eritreretinao!
Faran'izay malala-tanana ny Andriamanitsika, ary tsy manam-petra Izy. Te hitahy anao mihoatra lavitra noho izay eritreretinao Izy.
Ny Baiboly dia milaza fa “Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?" (Romana 8:32)
Jereo ny fomba ilazan'ilay andininy azy : homeny antsika maimaim-poana ny zavatra REHETRA... Tsy izay efa anananao ihany no nomeny anao, fa mbola maro ireo zava-tsarobidy tiany homena anao ihany koa.
Indraindray dia miezaka mafy isika mba hahazo zavatra, tsy tsaroantsika akory fa Andriamanitra dia maniry ny hanome izany ho antsika amin'ny fomba moramora kokoa, raha ataontsika laharam-pahamehana eo amin'ny fiainantsika Izy.
Indraindray koa tsy sahy manana nofinofy goavana isika, satria mahatsiaro tena ho kely, na koa efa zatra manana fisainana mahantra. Kanefa te hanome ireny zavatra ireny ho antsika Andriamanitra, araka ny lazain'ny andininy izay hitantsika faraparany hoe : "Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao." (Salamo 37:4)
Manana faniriana lalina isika matetika, saingy ataontsika tsinontsinona izany fa aleontsika mifantoka amin'ny "zava-misy", satria inoantsika fa nofinofy fotsiny ireny, izay tsy ho tanteraka mandrakizay. Saingy raha tsy ho tanteraka mandrakizay koa ny famonjena, nefa Andriamanitra dia efa nanavotra antsika, heverinao fa tsy hanome anao ilay trano irinao Izy, na ilay fiara? Heverinao fa ho sarotra ho Azy ny hanome anao trano noho ny famonjena?
Tsy ho azonao amin'ny fisainana feno fisalasalana izany, feno fanahiana, amin'ny fanisana taona tsy maintsy hanangonanao vola amin'ny herin'ny tenanao mba hahazoana izany... na koa izay fisainana sahala amin'izany.
Rehefa miravoravo amin'Andriamanitra ianao, ka tapa-kevitra fa mino ireo fanomezan-tokiny mihoatra noho ny zavatra rehetra, dia eo no hanokafanao ny varavaram-pitahiana amin'ny fomba mahatalanjona.
Te hitahy anao mihoatra lavitra noho izay eritreretinao Andriamanitra! Tapa-kevitra ny hino ireo fampanantenany aho ary hanaraka Azy amin'ny foko manontolo, afaka niaina izany tsy tapaka nandritra ny fiainako aho. Manasa anao hanao toy izany! Miandry anao hatrany ireo fanomezany sarobidy.