ππ» Mihoatra lavitra no tokony ho raisinao !
Misy namako akaiky manana alika tsara tarehy be izay, “berger” fotsy!
Nisy fotoana aho nitsidika azy ireo dia nisy tranga nahatsikaiky tamin’izay. Teo am-panomanana ny latabatra hisakafoanana izahay sady faly mijery ireo sakafo isan-karazany efa vonona, no nipelipeliky ny hafaliana ilay alika! Tao an’eritreriny angamba hoe: “Mba anisan’ny fianakaviana koa aho! Tokony mba hisy ho ahy koa izany!”
Dia nidodododo izy naka ny loviany, ary avy hatrany koa dia nofenoin’ny tompony ny sakafony. Ary rehefa feno hatramin’ny sisiny ilay izy, dia tsapan’ilay alika fa “lovia kely” no nentiny—nefa azony natao tsara ny nitondra “lovia lehibe” ! Dia lasa niverina aingana izy naka ilay “lovia lehibe”!
Tena nampihomehy ilay toe-javatra, nefa tena mampahatsiahy ny fomba fifandraisantsika amin’Andriamanitra!
Impiry moa ianao no manatona an’Andriamanitra amin’ny “lovia kely” satria amin’ny fahatsorana dia mieritreritra hoe: “Raha mba manampy ahy kely fotsiny amin’ity olako ity Andriamanitra dia ampy ahy izay.” Na hoe: “Raha mba hanehoany fitiavana kely fotsiny moa aho mba hanamora ny fiainako.”
Kanefa, tahaka ny amin’ilay tantara, Andriamanitra dia te hilaza aminao hoe: “Manana mihoatra lavitra ho anao Aho.” Vakintsika ao amin’ny Jakoba 4.2 fa hoe: “tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.”
Azo atao tsara anie ny maka ilay “lovia lehibe” anio satria efa ao anatinao ny fanomezana rehetra e!
Raha mino ianao anio, dia handray mihoatra lavitra noho ny taloha !
“Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra ao amin'i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4.19). Ka inona no andrasanao?
“Mangataha, dia homena ianareo…
…Ary iza moa aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy? “ (Matio 7:7-11)
Eny, tahaka ilay alikan’ny namako izay nisaina hoe: “Anisan’ny fianakaviana aho,” ianao koa dia afaka matoky anio hoe: “Anisan’ny fianakavian’Andriamanitra ianao !”
Mangataha, dia omena ianao!
