Mihoatra lavitra
Ao amin’ny fiarahana amin’ny Tompo dia misy ity dingana iray ity izay toa fanetre-tena ny fijery azy nefa ny tena marina tsy fahatakarana ny tian’Andriamanitra hiaviana ihany. Tsy inona izany fa rehefa mangataka zavatra amin’Andriamanitra. Ary izy io no antony lehibe indrindra tsy handraisana ilay valim-bavaka. Inona ary izany hoy ianao?
Inoanao ve fa lehibe ny Andriamanitrao? Inoanao ve fa hainy atao ny zavatra rehetra? Aza maika be hamaly hoe “eny” aloha fa tena saintsaino kely ange… Nisy fotoana ianao nangata-javatra, izay tena araky ny sitrapon’Andriamanitra, kanefa tsy nahazo valiny teo noho eo fa niandry elaela. Ny Tompo nizaha ny toe-ponao hoe hifikitra sa hamotsitra ianao anefa nanomboka nisalasala ny amin’ny teny voarainao ary lasa nahenanao tsikelikely ilay izy ohatra fa nampidirin’ny fahavalo tao am-ponao fa lehibe loatra izany, tsy mendrika an’izany ianao, misy olona mila an’izany hafa fa tsy ianao, sns… Heyyyyy, laingan’ny devoly izany!!! Raha inoanao fa lehibe ny Andriamanitrao ary mahay manao ny zavatra rehetra dia aza misalasala akory na iray segondra aza hangataka zavatra goavana Aminy. Poizina lehibe mamotika ny finoana ny fisalasalana.
Fa hoy ny Efesiana 3:20 “Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika” - Mila mangataka sy mihevitra izaho sy ianao, ary Izy hanao mihoatra noho izany!!! Mangataka famatsiana ianao ohatra fa mihevitra ny hianatra any ivelany? Mahay manao mihoatra lavitra Izy ka na tsy ny nangatahinao aza dia omeny anao satria mandeha araky ny sitrapony ianao.
Jereo ny sitrapon’Andriamanitra mifandraika amin’ny ilainao na lalovanao, ao amin’ny Teniny. Saintsaino fa Izy hanao mihoatra noho izay angatahinao sy heverinao.
Satria….Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕