🤔Mihevitra ny hafa ve ianao ?

Raha ny marina, moa ve tsy miodina eo aminao irery ihany izao tontolo izao ?
Hoy ny Baiboly hoe “Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara”. (Hebreo 10.24)
Mora amintsika tokoa ny manadino izany e ? Raha ny marina dia matetika isika no tsy misaina afa-tsy ny momba antsika ihany. Inona no hohaniKO anio, inona no tiaKO hatao amin’ny ho avy… na koa hoe “Tsy dia mahazo aina AHO izao fa avelao! ”
Tsarovy ny Matio 6.33 izay malaza be : “Fa katsaho aloha ny Fanjakany sy ny Fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6.33). Fa inona marina no tena dikan’io voalaza io ?
Fony aho tao anatin’ny fanomanana ilay horonam-peo “Mitoera anaty fahatoniana” izay nivoaka tamin’ny teny alemana dia tsy nitsahatra nanakivy ahy ny lainga maro. Lehibe aoka izany ny asa tao ambadik’io horonam-peo io. Fanomanana tsy ankiato nandritra ny volana maro, fahafoizana ny rendrarendra ary, alina tena fohy noho teo am-pamaranana…
Toy izao ny karazana lainga te hamily lalana ahy : “ Tsy misy dikany daholo io zavatra ataonao io. Zara fa hisy ny olona te hihaino an’io. Tsy ilaina misahirana be toy izao akory ianao fa olona vitsy kely ny handray izany na ahoana na ahoana…” Ny marina, nisy fotoana tanaty fisalasalana aho, dia nanontany tena indraindray hoe: “Manovokovoka am-po sy amin'ny kalitao mihoatra noho ny tokony ho izy ve aho amin'ito?”
Efa nametraka fanontaniana toy izao ve ianao tamin’ny fiainanao ? “Misy dikany ve ny fanaovana ezaka be toy izao ho an’ny hafa ?”
Teo no nahatsiarovako an’i Paoly tany am-ponja. Tena afaka nilaza mihitsy izy hoe: “Inona moa no antony mbola handaniako hery ato am-ponja ato ? Milavo lefona aho. Tsy hisy hamaky akory izay hosoratako ato”. Tsia, tsy nanaiky ho resin’ny hakiviana izy, satria fantany ny antony niadiany !
“Fa katsaho aloha ny Fanjakany sy ny Fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6.33).
Ny zavatra rehetra nanjo azy dia nahatonga ireo asa-sorany, izay natao tao anaty tsiambaratelo, ho tonga ampahany lehibe amin’ny Testamenta Vaovao !
Tsy ho “amin’ny fo diso tafahoatra” velively ny finiavanao hampahery ny hafa. Tsia, tsy ho very maina mandrakizay ny fikirizanao.
Satria ny atolotrao dia hitarika ny hafa ahery.
Fahagagana Ianao !

