• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 26, 2025

🏃Mihetseha

Andro namoahana Jan 26, 2025

ka ny zavatra teo amin’ny fiainaiko tsy noeritreretiko ho tanteraka mihitsy saingy tanteraka ihany izany tamin’ny farany! Ankehitriny fantatro ny antony! Satria natolotro teo anatrehan’Andriamanitra izy rehetra , eny na izay noheveriko fa tsy ho tanteraka mihitsy aza, ary avy eo dia nanomboka nihetsika aho!

Mihevitra isika fa tsy misy zavatra mitranga akory rehefa mivavaka isika. Fa ny tena marina, tsy misy zavatra hitranga rehefa tsy mivavaka isika! 

Nisy fotoana, naniry hianatra tany an-tany lavitra aho saingy betsaka ireo sakana niseho: ny kaontiko any amin’ny banky, ny fahasarotan’ny fikarakarana taratasy, tsy lazaina intsony ireo teny fahakaviana ataon’ny manodidina toy ny hoe: “eto no misy anao, haninona handeha lavitra any?”

Nampafantariko an’Andriamanitra anefa ny faniriako lalina te handeha. Mila nihetsika aho mba hanomanako izany fotoana izany - ary io fotoana nandehanako tany io indrindra no nanova ny fiainako!

Tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.” (Jakoba 4:2)

Misy fotoana anefa aho mieritreritra hoe: “Tsy afaka ny hangataka zavatra mihoatra amin’Andriamanitra koa aho! Raha ny marina , salama tsara aho ary tsy dia zava-dehibe loatra izany fangatahako izany.” Eh! Fantatrao ve fa mahafaly an’Andriamanitra ny hanome  izay irian’ny fonao?

Mangataha dia omena ianareo” (Lioka 11:9) Faly Andriamanitra rehefa mifaly ianao! Mitsiky Andriamanitra rehefa mitsiky ianao! Faly Andriamanitra rehefa mifaly manoloana ny Fahatsarany ianao! Toy izany ny toetran’Andriamanitra! Ilay Andriamanitra tia anao!

Inona avy ireo faniriana miafina anatin’ny fonao ka tsy azonao takarina? Nofy ve? Sa petra-kevitra? Sa fanahiana? Na izany na tsy izany, atolory amin'ny vavaka izao izy ireo, amin'ny Rainao izay tia anao!

Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra." (Filipiana 4:6)

Omem-boninahitra Andriamanitra rehefa mahita ny finoana mihetsika!

Ho tsara ity tontolo andro ity! Hisy fomba fijery vaovao hisokatra ho anao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.