• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Jol 22, 2026

Mihataka aminao ve Andriamanitra?

Andro namoahana Jol 22, 2026

"Izaho irery ve no olona tsy IRESAHAN’Andriamanitra?"

Nirotsaka ny ranomason’ity ramatoa ity, raha nanatrika ny fotoam-pivavahana alahady tao amin’ny fiangonana iray, izay nandray anjara tamin’ilay hetsika voalohany "Fahagagana Isan’Andro" tany Alemana.

"Nipetraka teo afovoan’ny olona aho. Hitako ny fiasan’ny Fanahy Masina tamin-kery teo amin’ireo olona manodidina ahy. Kanefa toa izaho no adino. Toa nandalo lavitra ahy Izy ary tsy nijanona teto amiko..."

Efa nahatsapa toy izany ve ianao?

Fantatr’i Habakoka tsara izany fahatsapana izany! Kanefa mpaminany izy! Ny mpaminany anie tokony handre an’Andriamanitra miteny aminy e!

Kanefa izy koa dia nandalo tao anatin’io fahanginana io. Ilay fahanginana izay te hampino antsika fa miala antsika Andriamanitra.

"Jehovah ô, indrisy ny hahelan'ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany." (Habakoka 1.2)

Raha ny marina, vitsy dia vitsy ny olona hamaly avy hatrany hoe: "Eny, tsapako foana Andriamanitra, ary amin’ny fotoana rehetra!"

Tamin’ilay hetsika voalohany "Fahagagana Isan’Andro" tany Alemana, dia ekeko fa izaho koa nahatsapa ny Fanahy Masina tamin’ny fomba tsy mbola niainako efa ela be! Marihiko tsara ilay hoe: "efa ela be". Satria izaho koa tsy hoe mifoha maraina dia avy hatrany hoe: tadaaa! Ka hoe tsapako avy hatrany ny fanatrehan’Andriamanitra!

Tsia. Tsy tsapako avy hatrany izany, fa kosa, hamafisiko ny finoako sy ny fahatokiako an'Andriamanitra. Satria mihoatra noho ny fihetseham-po ny finoana! Aza miandry fihetseham-po vao hino Azy!

Manomboka amin’izao teny izao ny bokin’i Habakoka: "Tsy nohenoinao". Ary angamba eo indrindra no toerana ijanonanao ankehitriny.

Fantatrao ve anefa ny fiafaran’ny bokin’i Habakoka?

"Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy..." (Habakoka 3.18)

Nandray fanapahan-kevitra hifaly i Habakoka! Ary tsy nifarana teo ny tantara! Taorian’izany dia nomen’Andriamanitra azy izay tena nilainy:

"Jehovah Tompo no tanjako!" (Habakoka 3.19)

Toy izany koa, omen’Andriamanitra anao izay tena ilainao. Ary zavatra lehibe lavitra noho ny fihetseham-po izany! Aza miandry fihetseham-po. Avelao Andriamanitra hiasa amin-kery eo amin’ny fiainanao!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.