• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Sep 30, 2025

Mihaino hira ve ianao ny maraina ? 🎧

Andro namoahana Sep 30, 2025

Efa nahazo anao ve izao : mahatsiaro malaelo ianao, fa rehefa avy nihaino hira dia nahazo aina indray ? Tena misy fiantraikany be eo amin’ny fihetsempontsika ny mozika. 

Isaky ny miala ao an-trano aho, dia tiako ny mametraka ny “ecouteur” mba hihainona hira efa voalahatra. Na manao ahoana ny fandehan’ny tontolo andro : hira tsara anankiray dia afaka hampahery anao sy hanome aingam-panahy anao. Tena fahazarako ny mihaino hira. Ary mihaino hira fiderana mihitsy aho eto am-panoratana anao io ! 🎼

Ary amin’ny fotoana eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra aho isan’andro, dia tiako ny mihaino mozika ilay tena mahatafiditra tsara ao amin’ny Fanatrehany. Amiko manokana, ireny karazana feon-kira ireny dia tena manome aingam-panahy sy manampy ahy hitodika amin’ny Tompo sy hibanjina Azy.

Izany no niainan’ny mpaminany Elisa. Indray andro dia nangataka mpitendry zavamaneno ho avy izy. Hoy ny Baiboly amintsika hoe “Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an'i Elisa ny tànan'i Jehovah” (2 Mpanjaka 3.15) ary nanomboka teo dia naminany izy. Eny, ny fihainoana hira sy feon-kira ataon’ny olona izay manana fahamailona amin’ny Fanahin’Andriamanitra dia tena manampy antsika hifandray amin’Andriamanitra lalindalina kokoa. Misokatra amin’Andriamanitra ny sofina ara-panahintsika rehefa midera Azy isika!

Mivavaka aho anio mba hifaly eo amin’ny Fanatrehan’ny Tompo ianao rehefa midera sy mihaino Azy miresaka momba ny fiainanao. 

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.